Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-16

8 Ary rahefa tonga izy, dia handresy lahatra an'izao tontolo izao ny amin'ny fahotana, sy ny amin'ny fahamarinana, ary ny amin'ny fitsarana: 9 ny amin'ny fahotana, satria tsy mino ahy izy ireo; 10 ny amin'ny fahamarinana, satria mankany amin'ny Ray aho, ka tsy ho hitanareo intsony; 11 ary ny amin'ny fitsarana, satria voatsara sahady ny mpanapaka izao tontolo izao. 12 Mbola manan-javatra betsaka holazaina aminareo aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny;

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0465