Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-17

1 Rahefa voalazan'i Jesoa izany, dia niandrandra ny lanitra izy, ka nanao hoe: Raiko ô, tonga ny fotoana: omeo voninahitra ny Zanakao, mba hanomezan'ny Zanaka voninahitra anao,

2 fa efa nomenao fahefana amin'ny nofo rehetra izy, mba hanomezany ny fiainana mandrakizay an'izay rehetra nomenao azy. 3 Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahalala anao hàny Andriamanitra marina sy Jesoa-Kristy izay nirahinao. 4 Nanome voninahitra anao aho tety ambonin'ny tany, fa tanterako ny asa nomenao ahy hataoko. 5 Ary ankehitriny kosa dia anao, Raiko ô, ny manome voninahitra ahy eo aminao, dia ny voninahitra ananako tao aminao talohan'ny nahariana izao tontolo izao. 6 Nitory ny anaranao tamin'ny olona nomenao ahy ao amin'izao tontolo izao; anao izy ireo, ka nomenao ahy, ary efa nitandrina ny teninao izy.

7 Fantany ankehitriny fa avy aminao ny zavatra rehetra nomenao ahy; 8 satria nomeko azy ny teny nomenao ahy ka noraisiny; dia fantany marina fa avy aminao aho, ary ninoany tokoa fa hianao no naniraka ahy. 9 Mangataka ho azy ireo aho. Tsy mangataka ho an'izao tontolo izao aho, fa ho an'izay nomenao ahy, satria anao izy ireo

10 (fa anao izay ahy rehetra, ary ahy izay anao rehetra), ary nahazo voninahitra amin'izy ireo aho. 11 Tsy ho eto amin'izao tontolo izao intsony aho; izy ireo no ho eto amin'izao tontolo izao, fa izaho kosa ho any aminao. Ray masina ô, tahirizo amin'ny anaranao izay nomenao ahy, mba ho iray tahaka antsika izy. 12 raha mbola teo amin'izy ireo aho, dia nitahiry azy tamin'ny anaranao. Eny, nitahiry izay nomenao ahy aho, ka tsy nisy very izy na dia iray aza, afa-tsy ilay zanaky ny fahaverezana, mba ho tanteraka ny Soratra Masina. 13 Ankehitriny mankany aminao aho, ka manao izany fangatahana izany dieny mbola amin'izao tontolo izao, mba hananan'izy ireo ny fifaliako tanteraka ao aminy. 14 Nomeko azy ny teninao, ka halan'izao tontolo izao izy ireo, satria tahaka ny tsy maha-olon'izao tontolo izao ahy no tsy maha-olon'izao tontolo izao azy koa. 15 Tsy ny hanesoranao azy amin'izao tontolo izao no angatahiko, fa ny hiarovanao azy amin'ny ratsy. 16 Tahaka ny tsy maha-olon'izao tontolo izao ahy no tsy maha-olon'izao tontolo izao azy ireo koa. 17 Ankamasino amin'ny fahamarinana izy ireo. Ny teninao no fahamarinana. 18 Tahaka ny nanirahanao ahy ho ao amin'izao tontolo izao no nanirahako azy ho ao amin'izao tontolo izao koa. 19 Manamasina ny tenako ho azy ireo aho, mba hohamasinina amin'ny fahamarinana koa izy. 20 Tsy ho azy ireto ihany no angatahako, fa ho an'izay hino ahy noho ny teniny koa:

21 mba ho iray izy rehetra, tahaka anao, Ray, ato amiko, ary izaho ao aminao, ary mba ho iray ao amintsika koa izy, ka hinoan'ny olona fa hianao no naniraka ahy. 22 Efa nomeko azy ny voninahitra nomenao ahy, mba ho iray izy tahaka ny maha-iray antsika: 23 Izaho moa ao aminy, hianao kosa ato amiko, mba ho tena iray tokoa izy ireo, ka ho fantatr'izao tontolo izao fa hianao no naniraka ahy. 24 Ray ô, tiako hiaraka amiko, any amin'izay itoerako, ireo nomenao ahy, mba hahita ny voninahitra nomenao ahy, satria efa tia ahy talohan'ny nahariana izao tontolo izao hianao. 25 Ray marina ô, tsy nahalala anao izao tontolo izao, fa izaho no nahalala anao, ary ireto koa no nahalala fa hianao no naniraka ahy. 26 Efa nampahafantariko ny anaranao izy, sady mbola hampahafantariko koa, mba ho ao aminy ny fitiavana izay nitiavanao ahy, ary mba ho ao aminy koa aho.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0602