Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-17

11 Tsy ho eto amin'izao tontolo izao intsony aho; izy ireo no ho eto amin'izao tontolo izao, fa izaho kosa ho any aminao. Ray masina ô, tahirizo amin'ny anaranao izay nomenao ahy, mba ho iray tahaka antsika izy. 12 raha mbola teo amin'izy ireo aho, dia nitahiry azy tamin'ny anaranao. Eny, nitahiry izay nomenao ahy aho, ka tsy nisy very izy na dia iray aza, afa-tsy ilay zanaky ny fahaverezana, mba ho tanteraka ny Soratra Masina. 13 Ankehitriny mankany aminao aho, ka manao izany fangatahana izany dieny mbola amin'izao tontolo izao, mba hananan'izy ireo ny fifaliako tanteraka ao aminy. 14 Nomeko azy ny teninao, ka halan'izao tontolo izao izy ireo, satria tahaka ny tsy maha-olon'izao tontolo izao ahy no tsy maha-olon'izao tontolo izao azy koa. 15 Tsy ny hanesoranao azy amin'izao tontolo izao no angatahiko, fa ny hiarovanao azy amin'ny ratsy. 16 Tahaka ny tsy maha-olon'izao tontolo izao ahy no tsy maha-olon'izao tontolo izao azy ireo koa. 17 Ankamasino amin'ny fahamarinana izy ireo. Ny teninao no fahamarinana. 18 Tahaka ny nanirahanao ahy ho ao amin'izao tontolo izao no nanirahako azy ho ao amin'izao tontolo izao koa. 19 Manamasina ny tenako ho azy ireo aho, mba hohamasinina amin'ny fahamarinana koa izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1248