Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-17

1 Rahefa voalazan'i Jesoa izany, dia niandrandra ny lanitra izy, ka nanao hoe: Raiko ô, tonga ny fotoana: omeo voninahitra ny Zanakao, mba hanomezan'ny Zanaka voninahitra anao,

2 fa efa nomenao fahefana amin'ny nofo rehetra izy, mba hanomezany ny fiainana mandrakizay an'izay rehetra nomenao azy. 3 Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahalala anao hàny Andriamanitra marina sy Jesoa-Kristy izay nirahinao. 4 Nanome voninahitra anao aho tety ambonin'ny tany, fa tanterako ny asa nomenao ahy hataoko. 5 Ary ankehitriny kosa dia anao, Raiko ô, ny manome voninahitra ahy eo aminao, dia ny voninahitra ananako tao aminao talohan'ny nahariana izao tontolo izao. 6 Nitory ny anaranao tamin'ny olona nomenao ahy ao amin'izao tontolo izao; anao izy ireo, ka nomenao ahy, ary efa nitandrina ny teninao izy.

7 Fantany ankehitriny fa avy aminao ny zavatra rehetra nomenao ahy; 8 satria nomeko azy ny teny nomenao ahy ka noraisiny; dia fantany marina fa avy aminao aho, ary ninoany tokoa fa hianao no naniraka ahy. 9 Mangataka ho azy ireo aho. Tsy mangataka ho an'izao tontolo izao aho, fa ho an'izay nomenao ahy, satria anao izy ireo

10 (fa anao izay ahy rehetra, ary ahy izay anao rehetra), ary nahazo voninahitra amin'izy ireo aho. 11 Tsy ho eto amin'izao tontolo izao intsony aho; izy ireo no ho eto amin'izao tontolo izao, fa izaho kosa ho any aminao. Ray masina ô, tahirizo amin'ny anaranao izay nomenao ahy, mba ho iray tahaka antsika izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2276