Evanjely Masin'i Jeso-kristy Nosoratan'i Md. Joany
Joany toko 18
Ny nisamborana an'i Jeso - Jeso eo anatrehan'i Ana sy Kaifa - Ny nandavan'i Piera azy - Ny nitsaran'i Pilaty azy.
1 Rehefa voalazain i Jeso izany, dia lasa izy sy ny mpianany nankany an-dafin'ny riakan'i Sedrona, izay nisy saha anankiray nidiran'izy sy ny mpianany. 2 Fantatr'i Jodasy ilay namadika azy koa io toerana io, satria falehan'i Jeso sy ny mpianany matetika. 3 Ka nony voarainy ny antoko-miaramila iray sy ny mpiandry raharaha avy amin'ny lohandohan'ny mpisorona sy ny Farisiana, dia nankao izy nitondra fanala sy fanilo, ary fiadiana. 4 Jeso tamin'izany, dia efa nahalala rahateo izay rehetra hanjò azy, ka nitsena azy ireo sy nanao taminy hoe: Iza no tadiavinareo? 5 Dia hoy ny navalin'izy ireo azy: Jeso avy any Nazareta. Ka hoy Jeso taminy: Izaho no izy. Eo koa izany Jodasy ilay namadika azy. 6 Vao nilazan'i Jeso hoe: Izaho no izy, dia nianotra izy ireo, ka niankarapoka tamin'ny tany. 7 Fa nanontany azy indray Jeso nanao hoe: Iza no tadiavinareo? Dia hoy izy ireo: Jeso avy Nazareta. 8 Ka novalian'i Jeso hoe: Efa voalazako taminareo fa izaho no izy; koa raha izaho no tadiavianareo, dia avelao handeha ireto. 9 Izy no nilaza izany dia mba hahatanteraka ny teny voalazany hoe: Tsy nisy very izay nomenao ahy, na dia iray aza.
10 Ary nanan-tsabatra Simona Piera ka notsoahany dia nasiany ny mpanompon'ny lehiben'ny mpisorona, ka afaka tery ny sofiny an-kavanana: Malkosy no anaran'ilay mpanompo. 11 Fa hoy Jeso tamin'i Piera. Ampidiro amin'ny tranony ny sabatrao; tsy hosotroiko va ny kapoaka nomen'ny Ray ahy? 12 Tamin'izay ny antoko-miaramila sy ny tompon'arivo ary ny mpiandry raharaha nirahin'ny Jody, dia nisambotra an'i Jeso, ka namatotra azy.
13 Tany amin'i Ana aloha no nitondrany azy, fa io no rafozan'i Kaifa izay lehiben'ny mpisorona tamin'izany taona izany; 14 ary Kaifa kosa no ilay nanome saina ny Jody hoe mahasoa raha maty ho an'ny vahoaka ny lehilahy anankiray. 15 Nanaraka an'i Jeso tamin'izany i Piera sy ny mpianatra anankiray hafa; ary fantatry ny lehiben'ny mpisorona ilay mpianatra anankiray, ka niara-niditra tamin'i Jeso tao amin'ny tokotanin'ny lehiben'ny mpisorona. 16 Fa Piera kosa nijanona tany ivelany tao akaikin'ny vavahady. Dia nivoaka ilay mpianatra izay fantatry ny lehiben'ny mpisorona, ka niteny tamin'ny vehivavy mpiandry vavahady, ary nampiditra an'i Piera. 17 Fa hoy ity ankizivavy mpiandry vavahady tamin'i Piera: Moa tsy isan'ny mpianatr'io Lehilahy io koa va hianao? Ary hoy izy: Tsia. 18 Nangatsiaka ny andro, ka nipetraka namindro teo amin'ny afo ny mpanompo sy ny mpiandry raharaha, ary dia mba niara-namindro taminy teo koa Piera.
19 Ary ny lehiben'ny mpisorona nanadina an'i Jeso ny amin'ny mpianany sy ny fampianarany; 20 ka hoy Jeso namaly azy: Niteny am-pahibemaso tamin'ny olona rehetra aho, ary nampianatra mandrakariva tao amin'ny sinagoga sy ny tempoly, izay ivorian'ny Jody rehetra, fa tsy nilaza na inona na inona an-takona; 21 ka ahoana no anontanianao ahy? Ireo nihaino ahy no anontanio izay voalazako taminy, fa ireo no mahalala izay nampianariko. 22 Nony nilaza izany Jeso, dia nasian'ny mpiandry raharaha anankiray tehamaina sy nataony hoe: Izany ve no famalinao ny lehiben'ny mpisorona? 23 Jeso namaly azy hoe: Raha ratsy ny teniko, lazao izay ratsy; fa raha tsara ihany kosa, nahoana no dia mamely ahy hianao? 24 Dia nasain'i Ana nentina am-patorana ho any amin'i Kaifa lehiben'ny mpisorona izy.
25 Ary Simona Piera nijanona namindro teo koa, ka nisy nanao taminy hoe: Moa tsy isan'ny mpianany koa va hianao? Fa nandà izy nanao hoe: Tsia. 26 Dia hoy koa ny anankiray tamin'ny mpanompon'ny lehiben'ny mpisorona, izay havan'ilay notapahin'i Piera sofina: Tsy hianao va ilay hitako niaraka taminy tao anaty saha? 27 Fa nandà indray Piera, ary niaraka tamin'izay dia nisy akoho naneno.
28 Dia nentiny niala tao amin'i Kaifa Jeso, ho any an-tranon'ny governora. Efa maraina ny andro tamin'izay. Tsy niditra tao an-trano anefa izy ireo, fandrao voaloto ka tsy afa-mihinana ny Paka. 29 Koa Pilaty no nivoaka nanatona azy ireo teo ala-trano, nanao hoe: Inona no iampanganareo io Lehilahy io? 30 Dia hoy ny navalin'izy ireo azy: Raha tsy mpanao ratsy izy, dia tsy ho natolotray anao. 31 Ka hoy Pilaty taminy: Ento izy, ka tsarao araka ny lalànareo. Fa hoy ny Jody namaly azy: Tsy manam-pahefana hanamelo-ko faty izahay. 32 Izany no tonga dia mba hahatanteraka ny teny nambaran'i Jeso momba ny fahafatesana hanjo azy. 33 Dia niditra tao an-trano Pilaty, ka niantso an'i Jeso sy nanao taminy hoe: Moa mpanjakan'ny Jody va hianao? 34 Jeso namaly hoe: anao samy irery izany teny izany, sa an'olon-kafa nilaza ahy taminao? 35 Dia namaly Pilaty nanao hoe: F'izaho angaha Jody? Ny firenenao sy ny mpisoronao no nanolotra anao tamiko, ka inona no nataonao?
36 Jeso namaly hoe: Tsy anisan'izao tontolo izao ny fanjakako: fa raha anisan'izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny oloko, ka tsy ho voarain'ny Jody aho; fa tsy anisan'izao tontolo izao ny fanjakako. 37 Dia hoy Pilaty taminy: Koa mpanjaka izany hianao? Ary novalian'i Jeso hoe: Efa voalazanao. Mpanjaka aho. Teraka aho, sy tonga taty an-tany mba hanambara ny marina, ka izay rehetra mpanaraka ny marina, dia mihaino ny feoko. 38 Inona no marina? hoy Pilaty taminy. Fa nony voalazany izany, dia nivoaka nankeo amin'ny Jody indray izy ka nanao tamin'ireo hoe: Raha izaho, dia tsy mahita izay helony na dia iray aza; 39 fa araky ny fanao amin'ny Paka dia mandefa olo-meloka izay tianareo aho; koa tianareo ve ny handefasako ny mpanjakan'ny Jody? 40 Fa nihorakoraka indray izy rehetra ka nanao hoe: Tsy izy, fa Barabasy. Kanefa jiolahy Barabasy.