Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-19

31 Ary andro fiomanana tamin'izay, ka nangataka tamin'i Pilaty ny Jody mba hotapahina ny ranjon'izy ireo, dia hoesorina, mba tsy hisy faty mihantona amin'ny hazo fijaliana amin'ny andro sabata (fa andro lehibe izany sabata izany).

32 Dia tonga ny miaramila ka nanapaka ny ranjon'ny voalohany sy ny an'ilay anankiray niara-nofantsihana taminy koa; 33 fa nony nankeo amin'i Jesoa izy ireo, dia hitany fa efa maty sahady izy, ka tsy mba notapahiny ny ranjony. 34 Fa nolefonin'ny miaramila anankiray kosa ny lanivoany, ka nisy ra sy rano nivoaka niaraka tamin'izay. 35 Ary ilay nahita no milaza, ka marina ny filazany, sady fantany fa milaza ny marina izy, mba hinoanareo koa. 36 Ary izany no tonga dia mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe: Tsy hisy hotapahina ny taolany, na dia iray aza. 37 Ary hoy indray koa ny Soratra Masina: Hijery izay nolefoniny izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0346