Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko voalohany

29 Nony ampitso, nahita an'i Jesoa nanatona azy Joany ka hoy izy: Indro ny Zanak'ondrin'Andriamanitra; indro ilay manala ny fahotan'ny olona.

30 Izy no ilay nantsoiko hoe: Misy lehilahy avy ao aoriako, sy efa tonga eo alohako, satria talohako izy. 31 Ary izaho tsy nahalala azy; fa mba hampisehoana azy amin'Israely no nahatongavako manao batemy amin'ny rano. 32 Ary nilaza marina Joany nanao hoe: Efa hitako ny Fanahy Masina nidina avy any an-danitra toy ny voromailala, ka nitoetra teo amboniny. 33 Ary izaho tsy nahalala azy, fa izay naniraka ahy hanao batemy amin'ny rano no nilaza tamiko hoe: Izay hitanao hidinan'ny Fanahy Masina sy hitoerany eo amboniny no ilay manao batemy amin'ny Fanahy Masina. 34 Ary nahita aho ka milaza marina fa izy no Zanak'Andriamanitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1088