Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko voalohany

45 Filipo kosa nifanena tamin'i Natanaely ka nanao taminy hoe: Efa hitanay ilay voalazan'i Moizy tao amin'ny Lalàna, sy nambaran'ny mpaminany, dia Jesoa zanak'i Josefa avy any Nazareta.

46 Ka hoy Natanaely taminy: Moa mba mety hisy zava-tsoa va avy any Nazareta? Dia hoy Filipo taminy: Avia, ary zahao. 47 Nony nahita an'i Natanaely tamy nanatona azy Jesoa, dia nilaza azy hoe: Io no tena Israelita tokoa, izay tsy misy fitaka. 48 Ka hoy Natanaely taminy: Ahoana no nahalalanao ahy? Ary hoy ny navalin'i Jesoa azy: Talohan'ny niantsoan'i Filipo anao, dia hitako tao ambanin'ny aviavy hianao. 49 Dia namaly azy Natanaely, ka nanao hoe: Raby ô, Hianao no Zanak'Andriamanitra, hianao no Mpanjakan'Israely. 50 Ary hoy Jesoa taminy: Mino hianao satria nilazako fa hitako tao ambanin'ny aviavy hianao; mbola hahita zava-dehibe noho izany aza hianao. 51 Dia hoy koa izy: Lazaiko marina dia marina aminareo fa hahita ny lanitra misokatra sy ny anjelin'Andriamanitra miakatra sy midina ao ambonin'ny Zanak'olona hianareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0649