Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-2

1 Nony afaka hateloana dia nisy fampakaram-bady tany Kanà any Galilea, ary tao ny renin'i Jesoa.

2 Jesoa sy ny mpianany koa dia nasaina tao amin'ny fampakaram-bady. 3 Nony inona, lany ny divay ka hoy renin'i Jesoa taminy: Tsy manan-divay izy ireo. 4 Ary hoy Jesoa taminy: Izaho sy hianao moa no ahoana amin'izany, ravehivavy? Tsy mbola tonga ny fotoako. 5 Dia hoy reniny tamin'ny mpanompo: Ataovy izay rehetra holazainy aminareo. 6 Ary nisy siny vato enina teo, fidiovana araka ny fanaon'ny Jody, nahalany rano indroa na intelon'ny famarana avy, 7 ka hoy Jesoa tamin'izy ireo: Fenoy rano ireo siny ireo. Dia nofenoiny hatramin'ny molony. 8 Ary hoy Jesoa taminy: Tovozy amin'izao, ka ento amin'ny mpandahatra ny fanasana. Dia nentiny. 9 Vao nanandrana ny rano voaova ho divay ny mpandahatra ny fanasana (izay tsy nahalala ny nihaviany, fa ny mpanompo nanovo ny rano no nahalala), dia niantso ny mpampakatra 10 ka nanao taminy hoe: Ny an'ny olona rehetra, dia ny divay tsara no arosony aloha, ary rahefa nisotro be ny olona vao arosony izay tsy tsara loatra; fa ny anao kosa, dia ny divay tsara indray no notahirizinao mandraka ankehitriny. 11 Izany nataon'i Jesoa tany Kanà any Galilea izany no voaloham-pahagagana nataony; naneho ny voninahiny izy ka nino azy ny mpianany.

12 Ary rahefa afaka izany, dia nidina nankany Kafarnaoma izy sy ny reniny mbamin'ny rahalahiny sy ny mpianany; nefa tsy nitoetra ela tao izy ireo. 13 Ary akaiky ny Pakan'ny Jody, ka niakatra tany Jerosalema Jesoa.

14 Hitany tao anatin'ny tempoly ny mpivarotra omby aman'ondry sy voromailala ary ny mpanakalo vola nipetraka tao, 15 ka nanao kotopia tamin'ny tady madinika izy, dia nandroaka azy rehetra mbamin'ny omby aman'ondry hiala amin'ny tempoly; nararany ny volan'ny mpanakalo vola, nazerany ny latabatra, 16 ary hoy izy tamin'izay nivaro-boromailala: Esory eto ireo, fa aza ataonareo trano fivarotana ny tranon'ny Raiko. 17 Dia tsaroan'ny mpianany fa efa voasoratra hoe: Ny fitiavako ny tranonao no maharitra ny aiko. 18 Fa niteny kosa ny Jody ka nanao hoe: Inona no famantarana asehonao aminay no manao toy izao hianao? 19 Dia namaly azy Jesoa nanao hoe: Ravao ity tempoly ity, fa hatsangako indray amin'ny hateloana. 20 Ka hoy ny Jody: Enina amby efa-polo taona no nanaovana ity tempoly ity, ka hianao ve dia hanangana azy indray amin'ny hateloana e? 21 Ny vatany anefa no tempoly nolazainy. 22 Ary nony tafatsangana tamin'ny maty izy, dia tsaroan'ny mpianany fa voalazany izany, ka nino ny Soratra Masina sy ny teny voalazan'i Jesoa izy ireo. 23 Raha mbola tany Jerosalema izy tamin'ny fetin'ny Paka, dia maro no nino ny anarany, fa nahita ny fahagagana nataony;

24 nefa tsy natoky azy ireo Jesoa, satria nahalala azy rehetra izy, 25 sady tsy mba nila olona hilaza aminy ny amin'ny olona izy, fa ny tenany ihany dia nahalala izay ao am-pon'ny olona.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.144