Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-20

19 Androtr'izay ihany, izany hoe harivan'ilay andro voalohan'ny herinandro, raha nirindrina ny varavaran'ny trano nivorian'ny mpianatra noho ny fahatahorany ny Jody, dia tonga Jesoa ka nitsangana teo afovoany, sy nilaza tamin'izy ireo hoe: Ho aminareo anie ny fiadanana!

20 Nony efa nilaza izany izy, dia nasehony azy ireo ny tànany sy ny lanivoany, ka faly ny mpianatra fa nahita ny Tompo. 21 Dia hoy indray izy tamin'izy ireo: Ho aminareo anie ny fiadanana! Tahaka ny nanirahan'ny Raiko ahy no anirahako anareo koa. 22 Rahefa nilaza izany izy, dia nitsoka ka nanao tamin'izy ireo hoe: Raiso ny Fanahy Masina: 23 ny fahotana izay havelanareo dia ho voavela, ary izay hotananareo dia ho voatana. 24 Fa Tomà ilay atao hoe Didimo, anankiray tamin'ny roa ambin'ny folo lahy kosa, tsy mba tao amin'izy ireo tamin'ny nahatongavan'i Jesoa.

25 Ka hoy ireto mpianatra sasany taminy: Efa nahita ny Tompo izahay. Fa hoy izy tamin'ireo: Raha tsy hitako ao amin'ny tànany ny loaky ny fantsika ka atsofoko eo amin'ny loaky ny fantsika ny rantsan-tànako, ary atehiko amin'ny lanivoany ny tànako, dia tsy hino aho. 26 Nony afaka havaloana, raha mbola nivory tao an-trano ihany ny mpianany sady teo koa Tomà, dia tonga Jesoa, nefa nirindrina ny varavarana. Nitsangana teo afovoany izy ka nanao hoe: Ho aminareo anie ny fiadanana! 27 Ary hoy izy tamin'i Tomà: Ataovy eto ny rantsan-tànanao, ka zahao ny tànako, ary arosoy ny tànanao, ka atehefo eto amin'ny lanivoako; dia minoa, fa aza malain-kino. 28 Dia namaly Tomà ka nanao taminy hoe: Tompoko sy Andriamanitro! 29 Fa hoy Jesoa taminy: Nino hianao, ry Tomà, satria nahita ahy; sambatra izay tsy nahita ka nino. 30 Maro koa ny fahagagana hafa nataon'i Jesoa teo imason'ny mpianany no tsy voasoratra amin'ity boky ity.

31 Fa voasoratra ireto mba hinoanareo fa Jesoa no Kristy Zanak'Andriamanitra, ary mba hahazoanareo ny fiainana amin'ny anarany, amin'ny finoana azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1233