Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-20

24 Fa Tomà ilay atao hoe Didimo, anankiray tamin'ny roa ambin'ny folo lahy kosa, tsy mba tao amin'izy ireo tamin'ny nahatongavan'i Jesoa.

25 Ka hoy ireto mpianatra sasany taminy: Efa nahita ny Tompo izahay. Fa hoy izy tamin'ireo: Raha tsy hitako ao amin'ny tànany ny loaky ny fantsika ka atsofoko eo amin'ny loaky ny fantsika ny rantsan-tànako, ary atehiko amin'ny lanivoany ny tànako, dia tsy hino aho. 26 Nony afaka havaloana, raha mbola nivory tao an-trano ihany ny mpianany sady teo koa Tomà, dia tonga Jesoa, nefa nirindrina ny varavarana. Nitsangana teo afovoany izy ka nanao hoe: Ho aminareo anie ny fiadanana! 27 Ary hoy izy tamin'i Tomà: Ataovy eto ny rantsan-tànanao, ka zahao ny tànako, ary arosoy ny tànanao, ka atehefo eto amin'ny lanivoako; dia minoa, fa aza malain-kino. 28 Dia namaly Tomà ka nanao taminy hoe: Tompoko sy Andriamanitro! 29 Fa hoy Jesoa taminy: Nino hianao, ry Tomà, satria nahita ahy; sambatra izay tsy nahita ka nino.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0789