Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-20

1 Ary tamin'ny andro voalohan'ny herinandro, dia lasa marainakoa mbola maizina nankany amin'ny fasana Madelena, ka nahita fa voaesotra tamin'ny fasana ny vato.

2 Dia lasa izy nihazakazaka nankany amin'i Simona Piera sy ilay mpianatra malalan'i Jesoa, ka nanao tamin'ireo hoe: Nalain'olona tao am-pasana ny Tompo, ka tsy fantatray izay nametrahany azy. 3 Dia mba lasa koa i Piera sy ilay mpianatra anankiray nankany amin'ny fasana, 4 ka niara-nihazakazaka izy roa lahy, saingy nandeha faingampaingana kokoa ilay mpianatra anankiray, ka tonga talohan'i Piera tao amin'ny fasana. 5 Dia niondrika izy, ka nahita ny lamba nipetraka teo, nefa tsy niditra. 6 Nony tonga kosa Piera nanarakaraka azy, dia niditra teo am-pasana ka nahita ny lamba nipetraka teo, 7 sy ny lamba nasarona ny lohany, tsy niara-nipetraka tamin'ny lamba fa nivalona nitokana terĂ½. 8 Dia niditra koa ilay mpianatra izay tonga taloha teo amin'ny fasana, ary nahita ka nino. 9 Fa tsy mbola fantatr'izy ireo ny Soratra Masina milaza fa tsy maintsy hitsangana amin'ny maty Jesoa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0662