Toko faha-20
2
Dia lasa izy nihazakazaka nankany amin'i Simona Piera sy ilay mpianatra malalan'i Jesoa, ka nanao tamin'ireo hoe: Nalain'olona tao am-pasana ny Tompo, ka tsy fantatray izay nametrahany azy.
3
Dia mba lasa koa i Piera sy ilay mpianatra anankiray nankany amin'ny fasana,
4
ka niara-nihazakazaka izy roa lahy, saingy nandeha faingampaingana kokoa ilay mpianatra anankiray, ka tonga talohan'i Piera tao amin'ny fasana.
5
Dia niondrika izy, ka nahita ny lamba nipetraka teo, nefa tsy niditra.
6
Nony tonga kosa Piera nanarakaraka azy, dia niditra teo am-pasana ka nahita ny lamba nipetraka teo,
7
sy ny lamba nasarona ny lohany, tsy niara-nipetraka tamin'ny lamba fa nivalona nitokana terĂ½.
8
Dia niditra koa ilay mpianatra izay tonga taloha teo amin'ny fasana, ary nahita ka nino.