Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-21

1 Taorian'izany, dia niseho tamin'ny mpianany teo amoron-dranomasin'i Tiberiady indray Jesoa, ary toy izao no nisehoany.

2 Tafaraka Simona Piera sy Tomà izay atao hoe Didimo, ary Natanaely izay avy tany Kanàn'i Galilea, mbamin'ireo zanak'i Zebede sy mpianatra roa lahy hafa koa. 3 Fa hoy Simona Piera tamin'izy ireo: Handeha hanarato aho. Fa hoy ireo taminy: Handeha hiaraka aminao koa izahay. Dia nandeha izy rehetra ka niditra tao an-tsambo kely, nefa tsy nahazo na inona na inona izy tamin'iny alina iny. 4 Nony maraina ny andro, dia tonga teo amoron-drano Jesoa; kanefa tsy fantatry ny mpianatra hoe Jesoa izy. 5 Ka hoy Jesoa tamin'izy ireo: Manan-kanina va hianareo, anaka? Dia hoy ny navaliny azy: Tsia. 6 Alatsaho ao an-kavanan'ny sambo kely àry ny haratonareo, hoy izy tamin'izy ireo, fa hahazo hianareo. Dia nalatsany ny harato ka tsy zakany nakarina noho ny habetsahan'ny hazandrano. 7 Ary hoy ilay mpianatra malalan'i Jesoa tamin'i Piera: Ny Tompo io. Nony ren'i Simona Piera fa hoe ny Tompo io, dia noraisiny nisikinany ny akanjony ivelany fa efa nesoriny ka nirotsaka tamin'ny ranomasina izy. 8 Ny mpianatra sasany kosa nandeha an-tsambo kely (fa tsy lavitra ny tany izy, fa tokony ho roan-jato hakiho monja), nitarika ny harato feno hazandrano. 9 Nony tafakatra teo an-tanety izy ireo, dia nahita vainafo sy hazandrano iray teo amboniny ary mofo.

10 Ary hoy Jesoa taminy: Itondray ny hazandrano vao azonareo. 11 Dia niakatra Simona Piera, ka nitarika ny harato feno hazandrano vaventy telo amby dimam-polo amby zato; nefa tsy triatra ny harato na dia betsaka toy izany aza izy. 12 Dia hoy Jesoa tamin'izy ireo: Avia hisakafo. Ny mpianatra izany tsy nisy na iray aza sahy nanontany azy hoe: Iza moa hianao? satria fantany ihany fa ny Tompo io. 13 Dia nanatona Jesoa, nandray ny mofo, sy nanome azy ireo; ary toy izany koa ny hazandrano. 14 Izay no fanintelony nisehoan'i Jesoa tamin'ny mpianany, rahefa nitsangana tamin'ny maty izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1674