Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-21

1 Taorian'izany, dia niseho tamin'ny mpianany teo amoron-dranomasin'i Tiberiady indray Jesoa, ary toy izao no nisehoany.

2 Tafaraka Simona Piera sy Tomà izay atao hoe Didimo, ary Natanaely izay avy tany Kanàn'i Galilea, mbamin'ireo zanak'i Zebede sy mpianatra roa lahy hafa koa. 3 Fa hoy Simona Piera tamin'izy ireo: Handeha hanarato aho. Fa hoy ireo taminy: Handeha hiaraka aminao koa izahay. Dia nandeha izy rehetra ka niditra tao an-tsambo kely, nefa tsy nahazo na inona na inona izy tamin'iny alina iny. 4 Nony maraina ny andro, dia tonga teo amoron-drano Jesoa; kanefa tsy fantatry ny mpianatra hoe Jesoa izy. 5 Ka hoy Jesoa tamin'izy ireo: Manan-kanina va hianareo, anaka? Dia hoy ny navaliny azy: Tsia. 6 Alatsaho ao an-kavanan'ny sambo kely àry ny haratonareo, hoy izy tamin'izy ireo, fa hahazo hianareo. Dia nalatsany ny harato ka tsy zakany nakarina noho ny habetsahan'ny hazandrano. 7 Ary hoy ilay mpianatra malalan'i Jesoa tamin'i Piera: Ny Tompo io. Nony ren'i Simona Piera fa hoe ny Tompo io, dia noraisiny nisikinany ny akanjony ivelany fa efa nesoriny ka nirotsaka tamin'ny ranomasina izy. 8 Ny mpianatra sasany kosa nandeha an-tsambo kely (fa tsy lavitra ny tany izy, fa tokony ho roan-jato hakiho monja), nitarika ny harato feno hazandrano. 9 Nony tafakatra teo an-tanety izy ireo, dia nahita vainafo sy hazandrano iray teo amboniny ary mofo.

10 Ary hoy Jesoa taminy: Itondray ny hazandrano vao azonareo. 11 Dia niakatra Simona Piera, ka nitarika ny harato feno hazandrano vaventy telo amby dimam-polo amby zato; nefa tsy triatra ny harato na dia betsaka toy izany aza izy. 12 Dia hoy Jesoa tamin'izy ireo: Avia hisakafo. Ny mpianatra izany tsy nisy na iray aza sahy nanontany azy hoe: Iza moa hianao? satria fantany ihany fa ny Tompo io. 13 Dia nanatona Jesoa, nandray ny mofo, sy nanome azy ireo; ary toy izany koa ny hazandrano. 14 Izay no fanintelony nisehoan'i Jesoa tamin'ny mpianany, rahefa nitsangana tamin'ny maty izy. 15 Nony avy nisakafo izy ireo, dia hoy Jesoa tamin'i Simona Piera: Ry Simona zanak'i Joany, moa tia ahy mihoatra noho ireto va hianao? Ka hoy ny navaliny azy: Eny, Tompoko, fantatrao fa tiako hianao. Dia hoy izy taminy: Fahano ny zanak'ondriko.

16 Ary hoy indray izy taminy fanindroany: Ry Simona zanak'i Joany, moa tianao va aho? Ka hoy ny navaliny azy: Eny, Tompoko, fantatrao fa tiako hianao. Dia hoy izy taminy: Fahano ny zanak'ondriko. 17 Ary hoy indray izy taminy fanintelony: Ry Simona zanak'i Joany, moa tianao va aho? Dia nalahelo Piera fa nontaniany fanintelony hoe: Moa tia ahy va hianao? ka hoy izy taminy: Hianao mahalala ny zavatra rehetra, Tompoko, ka fantatrao fa tiako hianao. Dia hoy izy taminy: fahano àry ny reniondriko. 18 Lazaiko marina dia marina aminao: Fony mbola tanora hianao, dia nahasikin-tena, sy nandeha tamin'izay tianao haleha; fa rahefa antitra kosa hianao, dia hiraviravy ny tànanao, ka olon-kafa no hanasikina anao, sy hitondra anao amin'izay tsy tianao.

19 Izy no nilaza izany dia mba hanambara ny fombam-pahafatesana hanomezan'i Piera voninahitra an'Andriamanitra. Ary rahefa nilaza izany izy, dia nanao taminy hoe: Manaraha ahy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1733