Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-21

20 Nony nitodika Piera, dia hitany teo aoriany ilay mpianatra malalan'i Jesoa izay niankina tamin'ny tratrany teo am-pisakafoana sy nanao hoe: Tompoko, iza no hamadika anao? 21 Ary nony nahita azy Piera dia hoy izy tamin'i Jesoa: Tompoko, mba inona kosa no ho anjaran'ity? 22 Dia hoy Jesoa taminy: Raha tiako hitoetra izy mandra-pihaviko, mampaninona anao izany? Fa manaraha ahy hianao. 23 Dia niely tamin'ny rahalahy fa hoe tsy ho faty izany mpianatra izany; nefa Jesoa tsy nilaza hoe tsy ho faty izy, fa hoe: Raha tiako hitoetra izy mandra-pihaviko, mampaninona anao izany? 24 Izy no ilay mpianatra manambara izany sy nanoratra azy, ary fantatsika fa marina ny filazany.

25 Maro koa ny zavatra hafa nataon'i Jesoa, ka raha izany rehetra izany no hosoratana tsirairay, dia ataoko fa na izao tontolo izao aza tsy ho omby ny boky hosoratana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0409