Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-3

1 Nisy Farisiana anankiray atao hoe Nikodema, isan'ny lehibe tamin'ny Jody.

2 Nankao amin'i Jesoa izy nony alina ka nanao taminy hoe : Raby, fantatray fa Mpampianatra avy amin' Andriamanitra hianao, fa tsy misy olona hahefa izao fahagagana ataonao izao raha tsy Andriamanitra no momba azy. 3 Dia namaly Jesoa ka nanao taminy hoe: Lazaiko marina dia marina aminao fa raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan'Andriamanitra. 4 Ary hoy Nikodema taminy : Ataon'ny olona ahoana no hateraka indray rahefa antitra izy ? Moa mahazo miditra any an-kibon-dreniny indray va izy ka hateraka indray ? 5 Fa hoy Jesoa: Lazaiko marina dia marina aminao fa raha tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy indray ny olona, dia tsy mahazo miditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra. 6 Izay ateraky ny nofo, dia nofo, ary izay ateraky ny Fanahy, dia fanahy. 7 Aza gaga hianao noho ny nilazako taminao hoe: Tsy maintsy hateraka indray hianareo. 8 Ny rivotra mitsoka amin'izay tiany ary renao ny feony, nefa tsy fantatrao izay ihaviany na izay alehany; tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1054