Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-3

22 Taorian'izany, dia nankany amin'ny tany Jodea Jesoa sy ny mpianany, ary niara-nitoetra tamin'izy ireo tany, sady nanao batemy ny olona.

23 Joany koa nanao batemy tany EnĂ²na akaikin'i Salima, fa be rano tao, ka nanatona ny olona sy nataony batemy; 24 fa tsy mbola natao tao an-tranomaizina Joany. 25 Ary nifanditra tamin'ny Jody anankiray any amin'ny fanadiovana ny mpianatr'i Joany, 26 ka nankany amin'i Joany ny mpianany nanao taminy hoe: Raby, ilay teny aminao, teny an-dafin'ny Jordany, izay nambaranao manko, ka indro manao batemy koa ary mankany aminy ny olona rehetra. 27 Dia namaly Joany ka nanao hoe: Tsy mahazo mandray na inona na inona ny olona raha tsy nomena azy avy any an-danitra izany. 28 Ary hianareo ihany no vavolombelon'ny nilazako hoe: Tsy Kristy aho, fa nirahina hialoha azy. 29 Izay manana ny ampakarina no mpampakatra; fa ny sakaizan'ny mpampakatra izay mitsangana eo sy mihaino azy, dia faly tokoa mandre ny feon'ny mpampakatra; ary izany hafaliana izany no tanteraka amiko. 30 Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1533