Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-3

13 Ary tsy nisy niakatra tany an-danitra afa-tsy izay nidina avy tany an-danitra ihany, dia ny Zanak'olona izay any an-danitra. 14 Tahaka ny nanandratan'i Moizy ny bibilava tany an'efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak'olona koa, 15 mba tsy ho very izay rehetra mino azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay. 16 Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay. 17 Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka tamin'izao tontolo izao, mba hitsara izao tontolo izao, fa mba hamonjy izao tontolo izao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1165