Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-4

43 Nony afaka ny indroa andro, dia niala tao izy ka nankany Galilea.

44 Fa araka ny efa voalazany dia tsy misy mpaminany hajaina amin'ny taniny. 45 Ary nony tonga tany Galilea izy, dia noraisin'ny Galileana, satria efa hitany izay rehetra nataony tany Jerosalema tamin'ny andro fety, fa tany koa izy ireo tamin'ny fety. 46 Dia nankany Kanà any Galilea indray izy, tany amin'ilay nanovàny ny rano ho divay. Ary nisy kosa manamboninahitra anankiray nanan-janakalahy narary tany Kafarnaoma,

47 ka nony reny fa hoe tonga avy any Jodea ao Galilea Jesoa, dia nanatona azy izy ka nangataka azy hidina hanasitrana ny zanany efa ho faty. 48 Fa hoy Jesoa taminy: Raha tsy mahita famantarana sy fahagagana hianareo, dia tsy mba mety mino; 49 ka hoy ilay manamboninahitra taminy: Andeha re, Tompoko dieny mbola tsy maty ny zanako. 50 Dia hoy Jesoa taminy: Modia, fa velona ny zanakao. Ary nino ny teny nolazain'i Jesoa taminy izy ka lasa nody. 51 Nony nandeha izy, dia notsenain'ny ankiziny, ka nilazany fa velona ny zanany. 52 Ary nanontaniany azy ireo ny ora nahasitranany ka hoy ireo taminy: Omaly tamin'ny ora fahafito no nialan'ny tazo taminy. 53 Dia fantatry ny rainy, fa tamin'izany ora izany indrindra no nilazan'i Jesoa taminy hoe: Velona ny zanakao, ka nino izy sy ny mpianakaviny rehetra. 54 Izany no fahagagana faharoa nataon'i Jesoa, rahefa tonga tany Galilea avy tany Jodea izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0409