Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-5

1 Taorian'izany, nisy andro fety tamin'ny Jody, ka niakatra tany Jerosalema Jesoa.

2 Ary any Jerosalema ao akaikin'ny vavahadin'ny ondry, dia misy dobo anankiray atao hoe Betesdà amin'ny teny hebrio, izay misy trano heva dimy. 3 Nisy marary maro nandry tamin'ireo trano ireo, dia ny jamba, ny mandringa, ny malemy, izay niandry ny fihetsiketsehan'ny rano. 4 Fa nidina tao anatin'ny dobo ny anjelin'Andriamanitra indraindray nampihetsiketsika ny rano, ka izay niroboka voalohany ao anatin'ny dobo rahefa nihetsiketsika ny rano, dia sitrana, na inona na inona aretiny. 5 Ary nisy lehilahy anankiray narary hatramin'ny valo amby telo-polo taona teo. 6 Nony nahita azy nivalandòtra teo Jesoa, sady fantany fa ela no naharariany, dia hoy izy taminy: Te-ho sitrana ve hianao? 7 Ary hoy ny navalin'ny marary: Tompoko, tsy mba manana olona handroboka ahy amin'ny dobo rahefa mihetsiketsika ny rano; ka nony mba mandeha aho, dia ny hafa no tafidina alohako. 8 Hoy Jesoa taminy: Mitsangàna, ento ny fandrianao ka mandehana. 9 Niaraka tamin'izay dia sitrana ralehilahy, ka nentiny ny fandriany dia lasa izy nandeha. Ary sabata ny andro tamin'izay. 10 Koa hoy ny Jody tamin'ny vao sitrana: Sabata ny andro, ka tsy mahazo mitondra ny fandrianao hianao.

11 Fa hoy ny navaliny azy: Ilay nahasitrana ahy no nanao tamiko hoe: Ento ny fandrianao ka mandehana. 12 Dia hoy ireo nanontany azy: Iza moa izany lehilahy nanao taminao hoe: Ento ny fandrianao ka mandehana, izany? 13 Tsy nahalala azy anefa ilay vao sitrana, fa ny vahoaka moa betsaka, Jesoa koa niala teo. 14 Taorian'izany dia hitan'i Jesoa tao an-tempoly ralehilahy ka hoy izy taminy: Indro efa sitrana hianao, ka aza manota intsony sao dia ratsy noho ny teo indray no manjò anao. 15 Dia lasa ralehilahy nilaza tamin'ny Jody fa Jesoa no nahasitrana azy. 16 Koa nanenjika an'i Jesoa ny Jody satria nanao izany tamin'ny andro sabata izy. 17 Fa hoy Jesoa taminy: Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary izaho koa miasa. 18 Izay indray vao mainka nitady hamono azy ny Jody, satria sady tsy nitandrina ny sabata izy no nilaza fa rainy Andriamanitra, ka nanao ny tenany ho mitovy amin'Andriamanitra. Dia notohizan'i Jesoa indray ny teniny, ka hoy izy tamin'izy ireo: 19 Lazaiko marina dia marina aminareo: Tsy mahazo manao na inona na inona ho azy ny Zanaka, afa-tsy izay hitany ataon'ny Ray; ary izay rehetra ataon'ny Ray dia ataon'ny Zanaka koa. 20 Fa tia ny Zanaka ny Ray, maneho aminy izay rehetra ataon'ny tenany, ary mbola haneho aminy asa lehibe noho izao aza izy, mba ho gaga hianareo. 21 Fa toy ny ananganan'ny Ray sy amelomany ny maty no ameloman'ny Zanaka izay tiany koa. 22 Ary ny Ray aza tsy mitsara olona, fa ny Zanaka no nomeny ny fitsarana rehetra, 23 mba hanajan'ny olona rehetra ny Zanaka tahaka ny fanajany ny Ray. Izay tsy manaja ny Zanaka, dia tsy manaja ny Ray izay naniraka azy. 24 Lazaiko marina dia marina aminareo: Izay mihaino ny teniko sy mino izay naniraka ahy no manana ny fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina, fa efa niala tamin'ny fahafatesana ho amin'ny fiainana izy.

25 Lazaiko marina dia marina aminareo: Avy sady ary efa tonga sahady ankehitriny aza ny andro handrenesan'ny maty ny feon'ny Zanak'Andriamanitra, ka izay handre dia ho velona. 26 Fa toy ny ananan'ny Ray ny fiainana ao anatiny, no nanomezany ny Zanaka hanana ny fiainana ao anatiny koa. 27 Ary nomeny fahefana hitsara izy, satria Zanak'olona. 28 Aza gaga amin'izany, fa avy ny andro handrenesan'izay rehetra any am-pasana ny feon'ny Zanak'Andriamanitra, 29 dia hivoaka izy, ka izay nanao soa dia ho any amin'ny fitsanganam-piainana, fa izay nanao ratsy kosa, dia ho any amin'ny fitsanganam-pahamelohana. 30 Raha izaho ihany, tsy mahazo manao na inona na inona; fa araka izay reko no itsarako, ka marina ny fitsarako, satria tsy mitady ny sitra-poko aho, fa ny sitra-pon' izay naniraka ahy. 31 Raha izaho ihany no manambara ny tenako, tsy marina ny fanambarako;

32 fa misy hafa izay manambara ahy, ary fantatro fa marina ny fanambarany ahy. 33 Naniraka tany amin'i Joany hianareo, ary nanambara ny marina izy. 34 Tsy dia ny fanambarana avy amin'olona anefa no iankinako, fa ny mba hahavoavonjy anareo no hilazako izany. 35 Joany dia jiro nirehitra sy nazava, ka nahafinaritra anareo sy nifalianareo vetivety ny fahazavany. 36 Fa manana fanambarana manoatra ny an'i Joany aho, satria ny asa nomen'ny Ray hovitaiko sady ataoko tokoa no manambara fa iraky ny Ray aho. 37 Ary ny Ray izay naniraka ahy dia izy indrindra no nanambara ahy. Hianareo tsy nandre ny feony na oviana na oviana, na nahita ny tarehiny, 38 sady tsy manana ny teniny mitoetra ao anatinareo, noho hianareo tsy mino ilay nirahiny. 39 Mandinika ny Soratra Masina hianareo, satria ataonareo fa ao no anananareo ny fiainana mandrakizay, ary ireny indrindra no manambara ahy;

40 nefa tsy mety manatona ahy hianareo mba hanananareo ny fiainana. 41 Izany akory tsy dia fitadiavako voninahitra amin'olombelona; 42 fa fantatro hianareo, fa tsy manana ny fitiavana an'Andriamanitra ao aminareo. 43 Avy aho amin'ny anaran'ny Raiko, nefa tsy raisinareo; raha misy hafa avy amin'ny anaran'ny tenany anefa, dia horaisinareo ihany izy. 44 Hataonareo ahoana kosa moa no fino? Koa aminareo samy hianareo no ilanareo ny voninahitrareo, fa ny voninahitra amin'Andriamanitra irery tsy tadiavinareo tsinona! 45 Aza ataonareo fa izaho no hiampanga anareo amin'ny Ray; ao no hiampanga anareo, dia Moizy, izay itokianareo. 46 Fa raha mba nino an'i Moizy hianareo, dia hino ahy koa; satria nanoratra nanambara ahy izy. 47 Ary raha tsy mino izay nosoratany koa hianareo, hataonareo ahoana no fino ny teniko?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0881