Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-5

1 Taorian'izany, nisy andro fety tamin'ny Jody, ka niakatra tany Jerosalema Jesoa.

2 Ary any Jerosalema ao akaikin'ny vavahadin'ny ondry, dia misy dobo anankiray atao hoe Betesdà amin'ny teny hebrio, izay misy trano heva dimy. 3 Nisy marary maro nandry tamin'ireo trano ireo, dia ny jamba, ny mandringa, ny malemy, izay niandry ny fihetsiketsehan'ny rano. 4 Fa nidina tao anatin'ny dobo ny anjelin'Andriamanitra indraindray nampihetsiketsika ny rano, ka izay niroboka voalohany ao anatin'ny dobo rahefa nihetsiketsika ny rano, dia sitrana, na inona na inona aretiny. 5 Ary nisy lehilahy anankiray narary hatramin'ny valo amby telo-polo taona teo. 6 Nony nahita azy nivalandòtra teo Jesoa, sady fantany fa ela no naharariany, dia hoy izy taminy: Te-ho sitrana ve hianao? 7 Ary hoy ny navalin'ny marary: Tompoko, tsy mba manana olona handroboka ahy amin'ny dobo rahefa mihetsiketsika ny rano; ka nony mba mandeha aho, dia ny hafa no tafidina alohako. 8 Hoy Jesoa taminy: Mitsangàna, ento ny fandrianao ka mandehana. 9 Niaraka tamin'izay dia sitrana ralehilahy, ka nentiny ny fandriany dia lasa izy nandeha. Ary sabata ny andro tamin'izay. 10 Koa hoy ny Jody tamin'ny vao sitrana: Sabata ny andro, ka tsy mahazo mitondra ny fandrianao hianao.

11 Fa hoy ny navaliny azy: Ilay nahasitrana ahy no nanao tamiko hoe: Ento ny fandrianao ka mandehana. 12 Dia hoy ireo nanontany azy: Iza moa izany lehilahy nanao taminao hoe: Ento ny fandrianao ka mandehana, izany? 13 Tsy nahalala azy anefa ilay vao sitrana, fa ny vahoaka moa betsaka, Jesoa koa niala teo. 14 Taorian'izany dia hitan'i Jesoa tao an-tempoly ralehilahy ka hoy izy taminy: Indro efa sitrana hianao, ka aza manota intsony sao dia ratsy noho ny teo indray no manjò anao. 15 Dia lasa ralehilahy nilaza tamin'ny Jody fa Jesoa no nahasitrana azy. 16 Koa nanenjika an'i Jesoa ny Jody satria nanao izany tamin'ny andro sabata izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1081