Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany
Toko faha-6
30
Fa hoy ireo taminy: Inona àry no fahagagana ataonao, mba ho hitanay ka hinoanay anao? Inona no asa ataonao?
31
Ny razantsika nihinana ny mana tany an'efitra araka ny voasoratra hoe: Mofo avy any an-danitra no nomeny azy hohaniny.
32
Dia hoy Jesoa taminy: Lazaiko marina dia marina aminareo fa tsy Moizy no nanome anareo ny mofo avy any an-danitra, fa ny Raiko no manome anareo ny mofo avy any an-danitra izay tena izy tokoa;
33
satria izay mofo midina avy any an-danitra sy manome ny fiainana an'izao tontolo izao no mofon'Andriamanitra.
34
Ary hoy izy ireo taminy: Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany mofo izany.
35
Dia hoy Jesoa taminy: Izaho no mofon'aina; izay manatona ahy tsy mba ho noana intsony, ary izay mino ahy tsy hangetaheta mandrakizay.
©
Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 -
2026 - page load 0.0394