Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-6

1 Nony afaka izany dia lasa nankany an-dafin'ny ranomasin'i Galilea, na ny farihin'i Tiberiady Jesoa,

2 ary vahoaka be no nanaraka azy, noho izy ireo nahita ny fahagagana nataony tamin'ny marary. 3 Dia niakatra tany an-tendrombohitra Jesoa, ka nipetraka teo izy mbamin'ny mpianany. 4 Efa akaiky ny Paka andro lehibe tamin'ny Jody. 5 Nony nanopy ny masony Jesoa, ka nahita ireto vahoaka be nanatona azy, dia hoy izy tamin'i Filipo: Aiza no hividianantsika mofo hohanin'ireo?

6 Fantany rahateo ny hataony, fa ny hitsapany azy no nilazany an'izany. 7 Dia hoy Filipo taminy: Na dia mofo-na denie roan-jato aza, tsy ampy hahazoan'izy ireo sombiny kely avy akory. 8 Ny anankiray tamin'ny mpianany koa, dia Andre rahalahin'i Simona Piera, nilaza taminy hoe: 9 Misy zazalahy anankiray manana mofo orja dimy sy hazandrano roa ao: fa ho ampy inona izany amin'ny olona maro be toy izao? 10 Dia hoy Jesoa: Asaovy mipetraka ny olona. Ary nisy ahitra be teo, ka dia nipetraka ny olona, ary tokony ho dimy arivo no isan'ny lehilahy. 11 Dia nandray ny mofo Jesoa, ka nony efa nisaotra dia nizara azy tamin'izay nipetraka ary nomeny toy izany koa ny hazandrano sady nampanaranany fo. 12 Rahefa voky izy ireo, dia hoy Jesoa tamin'ny mpianany: Angony ny sombitsombiny sisa tsy lany, mba tsy hisy very. 13 Dia nangoniny, ka nahafeno sobiky roa ambin'ny folo ny sombitsombin'ny mofo dimy sisa tsy lanin'izay nihinana. 14 Nony nahita ny fahagagana nataon'i Jesoa ireo olona ireo, dia nanao hoe: Ity tokoa no ilay Mpaminany ho avy amin'izao tontolo izao.

15 Dia fantatr'i Jesoa fa ho avy haka azy an-keriny hatao mpanjaka izy ireo, ka lasa indray izy irery nankany an-tendrombohitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1967