Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-6

24 Dia niondrana tamin'ireo sambo ireo izy nony nahita fa tsy teo Jesoa na ny mpianany, ka nankany Kafarnaoma hitady an'i Jesoa. 25 Ary rahefa hitany teny an-dafin'ny ranomasina izy, dia nilazany hoe: Raby, oviana no tonga teto hianao? 26 Dia namaly Jesoa ka nanao taminy hoe: Lazaiko marina dia marina aminareo: Hianareo no mitady ahy dia tsy noho ny nahitanareo fahagagana, fa noho ny nihinananareo ny mofo ka voky.

27 Miasà hianareo, tsy mba hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina maharitra ho amin'ny fiainana mandrakizay, dia izay homen'ny Zanak'olona anareo; fa izy no nasian'Andriamanitra Ray tombo-kase. 28 Ary hoy izy ireo taminy: Inona àry no hataonay mba hiasanay ny asan'Andriamanitra? 29 Namaly Jesoa ka nanao tamin'izy ireo hoe: Izao no asan'Andriamanitra, dia ny hinoanareo ilay nirahiny. 30 Fa hoy ireo taminy: Inona àry no fahagagana ataonao, mba ho hitanay ka hinoanay anao? Inona no asa ataonao? 31 Ny razantsika nihinana ny mana tany an'efitra araka ny voasoratra hoe: Mofo avy any an-danitra no nomeny azy hohaniny. 32 Dia hoy Jesoa taminy: Lazaiko marina dia marina aminareo fa tsy Moizy no nanome anareo ny mofo avy any an-danitra, fa ny Raiko no manome anareo ny mofo avy any an-danitra izay tena izy tokoa; 33 satria izay mofo midina avy any an-danitra sy manome ny fiainana an'izao tontolo izao no mofon'Andriamanitra. 34 Ary hoy izy ireo taminy: Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany mofo izany. 35 Dia hoy Jesoa taminy: Izaho no mofon'aina; izay manatona ahy tsy mba ho noana intsony, ary izay mino ahy tsy hangetaheta mandrakizay.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1453