Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-6

54 Fa hoy Jesoa tamin'izy ireo: Lazaiko marina dia marina aminareo fa raha tsy mihinana ny nofon'ny Zanak'olona hianareo sy tsy misotro ny rany, dia tsy manana ny fiainana ao aminareo. 55 Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana ny fiainana mandrakizay; ary izaho hanangana azy amin'ny farandro. 56 Fa tena fihinana ny nofoko, ary tena fisotro ny rako. 57 Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako, dia mitoetra ao anatiko, ary izaho ao anatiny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0112