Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-6

22 Nony ampitso, tsaroan'ny vahoaka izay nijanona teny an-dafin'ny ranomasina fa tsy nisy afatsy sambo kely anankiray no teo, ary Jesoa tsy niara-niondrana an-tsambo tamin'ny mpianany, fa ny mpianany ihany no nandeha;

23 nefa nisy sambo kely hafa maro avy any Tiberiady tonga tao akaikin'ny tany nanomezan'ny Tompo mofo hohaniny rahefa nisaotra izy. 24 Dia niondrana tamin'ireo sambo ireo izy nony nahita fa tsy teo Jesoa na ny mpianany, ka nankany Kafarnaoma hitady an'i Jesoa. 25 Ary rahefa hitany teny an-dafin'ny ranomasina izy, dia nilazany hoe: Raby, oviana no tonga teto hianao? 26 Dia namaly Jesoa ka nanao taminy hoe: Lazaiko marina dia marina aminareo: Hianareo no mitady ahy dia tsy noho ny nahitanareo fahagagana, fa noho ny nihinananareo ny mofo ka voky.

27 Miasà hianareo, tsy mba hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina maharitra ho amin'ny fiainana mandrakizay, dia izay homen'ny Zanak'olona anareo; fa izy no nasian'Andriamanitra Ray tombo-kase. 28 Ary hoy izy ireo taminy: Inona àry no hataonay mba hiasanay ny asan'Andriamanitra? 29 Namaly Jesoa ka nanao tamin'izy ireo hoe: Izao no asan'Andriamanitra, dia ny hinoanareo ilay nirahiny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0941