Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-6

30 Fa hoy ireo taminy: Inona àry no fahagagana ataonao, mba ho hitanay ka hinoanay anao? Inona no asa ataonao? 31 Ny razantsika nihinana ny mana tany an'efitra araka ny voasoratra hoe: Mofo avy any an-danitra no nomeny azy hohaniny. 32 Dia hoy Jesoa taminy: Lazaiko marina dia marina aminareo fa tsy Moizy no nanome anareo ny mofo avy any an-danitra, fa ny Raiko no manome anareo ny mofo avy any an-danitra izay tena izy tokoa; 33 satria izay mofo midina avy any an-danitra sy manome ny fiainana an'izao tontolo izao no mofon'Andriamanitra. 34 Ary hoy izy ireo taminy: Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany mofo izany. 35 Dia hoy Jesoa taminy: Izaho no mofon'aina; izay manatona ahy tsy mba ho noana intsony, ary izay mino ahy tsy hangetaheta mandrakizay.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0822