Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-6

60 Izany no nolazainy raha nampianatra tao amin'ny sinagoga tany Kafarnaoma izy.

61 Betsaka tamin'ny mpianany nony nandre izany no nanao hoe: Sarotra izany teny izany, ka iza no mahahaino izany? 62 Ary fantatr'i Jesoa tao am-pony fa nimonomonona tamin'izany ny mpianany, ka hoy izy taminy: Mahatafintohina anareo va izany? 63 Hanao ahoana hianareo, raha mahita ny Zanak'olona miakatra any amin'izay toerany taloha. 64 Ny Fanahy no mahavelona, ny nofo tsy mahasoa ohatr'inona akory; ny teny voalazako taminareo dia fanahy sy fiainana. 65 Nefa misy tsy mino aminareo. Fa fantatr'i Jesoa hatramin'ny voalohany, izay tsy hino sy izay hamadika azy. 66 Ary hoy izy: Izany no nilazako taminareo fa tsy misy mahay manatona ahy raha tsy nomen'ny Ray azy izany. 67 Hatramin'izay dia maro tamin'ny mpianany no nihemotra, ka tsy niaraka taminy intsony. 68 Ka hoy Jesoa tamin'ny roa ambin'ny folo lahy: Hianareo koa va mba te-hiala? 69 Dia namaly Simona Piera ka nanao taminy hoe: Tompo ô, hankany amin'iza àry izahay? Hianao no manana ny tenin'ny fiainana mandrakizay;

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0726