Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-7

40 Nony nandre ireo teny ireo ny vahoaka, ny sasany nanao hoe: Ity tokoa no ilay Mpaminany;

41 ny sasany manao hoe: Ity no Kristy; fa hoy kosa ny sasany: Fa angaha avy any Galilea no ihavian'ny Kristy? 42 Tsy voalazan'ny Soratra Masina va fa avy amin'ny taranak'i Davida, sy avy amin'ny tanàna Betlehema nitoeran'i Davida no hihavian'ny Kristy? 43 Koa nisara-tsaina ny aminy be ihany ny vahoaka. 44 Ny sasany tamin'izy ireo aza nitady hisambotra azy; saingy tsy nisy sahy nitàna azy. 45 Dia niverina tany amin'ny lohan'ny mpisorona sy ny Farisiana ny miaramila, ka nilazan'ireo hoe: Ahoana no tsy nitondranareo azy?

46 Fa hoy ny navalin'ny miaramila: Tsy mbola nisy olona niteny tahaka iny Lehilahy iny. 47 Dia hoy ny Farisiana tamin'ireo: Hianareo koa angaha voasolokiny? 48 Jereo ange raha mba misy loholona na Farisiana iray akory nino azy? 49 Ary raha izay vahoaka foana tsy mahalala ny Lalàna akory, dia olona voaozona ireny. 50 Dia Nikodema ilay nanatona an'i Jesoa nony alina sy anisan'izy ireo, no nanao taminy hoe: 51 Moa ny Lalàntsika va manameloka olona raha tsy efa re aloha ny teniny, ka fantatra koa izay nataony? 52 Fa namaly izy ireo ka nanao taminy hoe: Hianao koa ve avy any Galilea? Diniho dia ho hitanao fa tsy misy mpaminany avy any Galilea. 53 Dia samy lasa nody ho any antranony avy izy ireo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0213