Evanjely Masin'i Jeso-kristy Nosoratan'i Md. Joany
Joany toko 8
Ilay vehivavy azo nijangajanga - Jeso milaza ny tenany ho fahazavan'izao tontolo izao - Ho faty amin'ny fahotany ny Farisiana - Izay tena zanak'i Abrahama - Izay tena zanak'Andriamanitra - Jeso milaza ny tenany ho Zanak'Andriamanitra.
1 Jeso kosa nankany an-tendrombohitra Oliva, 2 fa nony marainakoa vao niverina tany an-tempoly izy, ka nanatona azy ny vahoaka rehetra, dia nipetraka nampianatra azy ireo izy.
3 Ary nisy vehivavy anankiray azo nijangajanga nentin'ny mpanora-dalàna sy ny Farisiana, ka narosony teo afovoany. 4 Dia hoy izy tamin'i Jeso: Ry Mpampianatra, azo nijangajanga ity vehivavy ity. 5 Ary Moizy ao amin'ny Lalàna dia nandidy antsika hitora-bato ny olona toy izany, fa hianao kosa mba ahoana, hoy hianao? 6 Izy no nanao izany dia ny hakany fanahy azy, mba hisy hiampangany azy. Fa Jeso kosa niondrika dia nanoratra tamin'ny rantsan-tànany teo amin'ny tany. 7 Ry zareo amin'izany tsy nitsahatra, fa mbola nanontany azy ihany, ka nitraka izy dia nanao taminy hoe: Izay tsy manam-pahotana aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany. 8 Dia niondrika indray izy ka nanoratra teo amin'ny tany. 9 Fa ry zareo kosa nony nandre izany, dia nihatakataka tsirairay, ny zokinjokiny no loha làlana, ka Jeso irery sisa nijanona sy ilay vehivavy teo afovoany. 10 Izay vao nitraka Jeso, ka nanao taminy hoe: Ravehivavy, aiza ry zareo niampanga anao teo? Moa tsy nisy nanameloka anao va? 11 Tsy nisy, Tompoko, hoy izy. Izaho koa tsy hanameloka anao, hoy Jeso. Mandehana, ka aza manota intsony.
12 Ary niteny tamin'ny olona indray Jeso, ka nanao hoe: Izaho no fahazavan'izao tontolo izao: izay manaraka ahy tsy mandeha amin'ny maizina, fa hanana ny fahazavan'ny fiainana. 13 Dia hoy ny Farisiana taminy: Manambara tena hianao, ka tsy marina ny fanambaranao. 14 Fa namaly Jeso ka nanao taminy hoe: Na dia manambara tena aza aho, dia marina ny fanambarako, satria fantatro izay nihaviako sy izay alehako, ary hianareo tsy mahalala izay ihaviako na izay alehako. 15 Hianareo mitsara araka ny nofo, fa izaho kosa tsy mitsara olona na iza na iza. 16 Ary raha mitsara aho, dia marina ny fitsarako, satria tsy izaho irery, fa izaho sy ny Ray izay naniraka ahy; 17 ka araka ny voasoratra eo amin'ny Lalànareo, dia marina ny fanambaran'ny olona roa. 18 Ary izaho sady manambara ny tenako no ambaran'ny Ray izay naniraka ahy koa. 19 Dia hoy ry zareo taminy: Aiza ny Rainao? Fa Jeso namaly hoe: Samy tsy fantatrareo na izaho na ny Raiko; fa raha mahalala ahy hianareo, dia ho nahalala ny Raiko koa. 20 Teo amin'ny fandatsahan-drakitra no nilazan'i Jeso an'izany, raha nampianatra tao amin'ny tempoly izy; nefa tsy nisy nisambotra azy, satria tsy mbola tonga ny fotoany.
21 Hoy indray Jeso tamin'izy ireo: Handeha aho ka hitady ahy hianareo, ary ho faty amin'ny fahotanareo. Izay alehako tsy azonareo aleha. 22 Dia hoy ny Jody: Hamono tena angaha izy no manao hoe: Izay alehako tsy azonareo aleha? 23 Fa hoy izy tamin'izy ireo? Hianareo avy ety an-tany, izaho avy any an-danitra; hianareo olon'izao tontolo izao; izaho tsy mba olon'izao tontolo izao. 24 Izany no nilazako taminareo fa ho faty amin'ny fahotanareo hianareo; satria raha tsy mino hianareo fa izaho no izy, dia ho faty amin'ny fahotanareo hianareo. 25 Dia hoy ry zareo taminy: Iza moa hianao? ka hoy ny navalin'i Jeso azy: izay lazaiko aminareo indrindra. 26 Manana zavatra maro hilazana sy hitsarana anareo aho; fa marina ilay naniraka ahy, ary izay efa reko taminy no lazaiko amin'izao tontolo izao. 27 Tsy nahalala izy ireo fa ny Ray no nolazainy taminy. 28 Ka hoy Jeso taminy: Rahefa voasandratrareo ny Zanak'olona vao ho fantatrareo fa izaho no izy, sady tsy manao na inona na inona ho ahy aho, fa izay nampianarin'ny Ray ahy no lazaiko. 29 Ary izay naniraka ahy dia eto amiko, fa tsy navelany ho irery aho, satria manao izay tiany mandrakariva.
30 Tamin'izy niteny izany, dia maro no nino azy. 31 Koa hoy Jeso tamin'ireo Jody nino azy: Raha mahatana ny teniko hianareo dia ho mpianatro tokoa, 32 sady ho fantatrareo ny marina, ary ny marina no haha-olona afaka anareo. 33 Dia hoy ny navalin'izy ireo azy: Taranak'i Abrahama izahay, ary tsy mba nandevozin'olona na oviana na oviana, ka ahoana no ilazanao hoe: Ho olona afaka hianareo? 34 Fa hoy Jeso taminy: Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay manota dia andevon'ny ota. 35 Ny andevo tsy mitoetra ao an-trano mandrakariva. 36 Koa raha ny Zanaka no manafaka anareo, dia ho afaka tokoa hianareo. 37 Fantatro ihany fa taranak'i Abrahama hianareo, nefa mitady hamono ahy hianareo, satria tsy tafalatsaka ao am-ponareo ny teniko. 38 Izaho milaza izay hitako eo amin'ny Raiko, ary hianareo kosa manao izay renareo ao amin'ny rainareo. 39 Namaly ireo ka nanao taminy hoe: Abrahama no rainay. Fa hoy Jeso taminy: Raha zanak'i Abrahama hianareo, dia hanao ny asan'i Abrahama. 40 Nefa mitady hamono ahy hianareo ankehitriny, dia izaho izay nilaza taminareo ny marina reko tamin'Andriamanitra: tsy asan'i Abrahama izany. 41 Ny asan'ny rainareo no ataonareo!
Dia hoy ireo taminy: Tsy mba teraka tamin'ny fijangajangana izahay, ka iray ihany no rainay, dia Andriamanitra. 42 Fa hoy kosa Jeso tamin'izy ireo: Raha Andriamanitra no rainareo, dia ho tia ahy hianareo, satria Andriamanitra no nihaviako, ary izy no nahatongavako aty; fa tsy tonga ho ahy aho, fa izy no naniraka ahy. 43 Ahoana àry no tsy fantatrareo ny fiteniko? Satria tsy mahay mihaino ny teniko hianareo. 44 Ny demony no ray nihavianareo, ka izay tian'ny rainareo no tianareo hatao. Ary izy dia mpamono olona hatramin'ny voalohany sy tsy naharitra tamin'ny marina, satria tsy misy marina ao aminy. Raha mandainga izy, dia ny azy no lazainy izany, satria mpandainga sy rain'ny lainga izy; 45 fa izaho kosa satria milaza ny marina aho, dia tsy mino ahy hianareo. 46 Iza moa aminareo no mahazo milaza marina fa nanota aho? Raha ny marina no lazaiko, nahoana no tsy mino ahy hianareo? 47 Izay avy amin'Andriamanitra no mihaino ny tenin'Andriamanitra, ka izany indrindra no tsy ihainoanareo, satria tsy avy amin'Andriamanitra hianareo.
48 Dia namaly ny Jody ka nanao taminy hoe: Moa tsy marina ny filazanay fa Samaritana hianao sady manana demony? 49 Ary hoy ny navalin'i Jeso: Tsy manana demony aho, fa izaho manome voninahitra ny Raiko, ary hianareo kosa tsy manaja ahy. 50 Izaho tsy mitady voninahitra ho ahy, fa ao ny mitady izany sy hitsara. 51 Lazaiko marina dia marina aminareo, fa raha misy mitandrina ny teniko, dia tsy hahita fahafatesana mandrakizay izy. 52 Dia hoy ny Jody: Fantatray amin'izao fa manana demony hianao; Abrahama sy ny mpaminany aza maty, fa hianao kosa manao hoe: Raha misy mitandrina ny teniko, dia tsy hanandrana fahafatesana mandrakizay izy. 53 Angaha hianao lehibe noho Abrahama rainay izay efa maty? Ny mpaminany koa efa maty; manao anao ho iza re hianao e? 54 Dia hoy Jeso: Raha manome voninahi-tena aho, dia tsinontsinona ny voninahitro; fa ny Raiko izay ataonareo ho Andriamanitrareo no manome voninahitra ahy. 55 Tsy fantatrareo anefa izy; fa izaho no mahalala azy, ary raha milaza ho tsy mahalala azy aho, dia ho mpandainga tahaka anareo koa: fa fantatro izy, ary mitandrina ny teniny aho. 56 Nientan-kafaliana Abrahama rainareo nanantena hahita ny androko; ary nahita izy ka faly. 57 Dia hoy ny Jody taminy: Tsy mbola dimam-polo taona akory hianao, ka dia hoe nahita an'i Abrahama? 58 Lazaiko marina dia marina aminareo, hoy Jeso taminy: Fony mbola tsy àry Abrahama, dia efa izaho aho. 59 Tamin'izay naka vato izy ireo hitorahana azy; fa niery Jeso ka nivoaka ny tempoly.