Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-8

1 Jesoa kosa nankany an-tendrombohitra Oliva,

2 fa nony marainakoa vao niverina tany an-tempoly izy, ka nanatona azy ny vahoaka rehetra, dia nipetraka nampianatra azy ireo izy. 3 Ary nisy vehivavy anankiray azo nijangajanga nentin'ny mpanora-dalàna sy ny Farisiana, ka narosony teo afovoany.

4 Dia hoy izy tamin'i Jesoa: Ry Mpampianatra, azo nijangajanga ity vehivavy ity. 5 Ary Moizy ao amin'ny Lalàna dia nandidy antsika hitora-bato ny olona toy izany, fa hianao kosa mba ahoana, hoy hianao? 6 Izy no nanao izany dia ny hakany fanahy azy, mba hisy hiampangany azy. Fa Jesoa kosa niondrika dia nanoratra tamin'ny rantsan-tànany teo amin'ny tany. 7 Ry zareo amin'izany tsy nitsahatra, fa mbola nanontany azy ihany, ka nitraka izy dia nanao taminy hoe: Izay tsy manam-pahotana aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany. 8 Dia niondrika indray izy ka nanoratra teo amin'ny tany. 9 Fa ry zareo kosa nony nandre izany, dia nihatakataka tsirairay, ny zokinjokiny no loha làlana, ka Jesoa irery sisa nijanona sy ilay vehivavy teo afovoany. 10 Izay vao nitraka Jesoa, ka nanao taminy hoe: Ravehivavy, aiza ry zareo niampanga anao teo? Moa tsy nisy nanameloka anao va? 11 Tsy nisy, Tompoko, hoy izy. Izaho koa tsy hanameloka anao, hoy Jesoa. Mandehana, ka aza manota intsony.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0853