Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-8

21 Hoy indray Jesoa tamin'izy ireo: Handeha aho ka hitady ahy hianareo, ary ho faty amin'ny fahotanareo. Izay alehako tsy azonareo aleha.

22 Dia hoy ny Jody: Hamono tena angaha izy no manao hoe: Izay alehako tsy azonareo aleha? 23 Fa hoy izy tamin'izy ireo? Hianareo avy ety an-tany, izaho avy any an-danitra; hianareo olon'izao tontolo izao; izaho tsy mba olon'izao tontolo izao. 24 Izany no nilazako taminareo fa ho faty amin'ny fahotanareo hianareo; satria raha tsy mino hianareo fa izaho no izy, dia ho faty amin'ny fahotanareo hianareo. 25 Dia hoy ry zareo taminy: Iza moa hianao? ka hoy ny navalin'i Jesoa azy: izay lazaiko aminareo indrindra. 26 Manana zavatra maro hilazana sy hitsarana anareo aho; fa marina ilay naniraka ahy, ary izay efa reko taminy no lazaiko amin'izao tontolo izao. 27 Tsy nahalala izy ireo fa ny Ray no nolazainy taminy. 28 Ka hoy Jesoa taminy: Rahefa voasandratrareo ny Zanak'olona vao ho fantatrareo fa izaho no izy, sady tsy manao na inona na inona ho ahy aho, fa izay nampianarin'ny Ray ahy no lazaiko. 29 Ary izay naniraka ahy dia eto amiko, fa tsy navelany ho irery aho, satria manao izay tiany mandrakariva. 30 Tamin'izy niteny izany, dia maro no nino azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1971