Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-8

31 Koa hoy Jesoa tamin'ireo Jody nino azy: Raha mahatana ny teniko hianareo dia ho mpianatro tokoa, 32 sady ho fantatrareo ny marina, ary ny marina no haha-olona afaka anareo. 33 Dia hoy ny navalin'izy ireo azy: Taranak'i Abrahama izahay, ary tsy mba nandevozin'olona na oviana na oviana, ka ahoana no ilazanao hoe: Ho olona afaka hianareo? 34 Fa hoy Jesoa taminy: Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay manota dia andevon'ny ota. 35 Ny andevo tsy mitoetra ao an-trano mandrakariva. 36 Koa raha ny Zanaka no manafaka anareo, dia ho afaka tokoa hianareo. 37 Fantatro ihany fa taranak'i Abrahama hianareo, nefa mitady hamono ahy hianareo, satria tsy tafalatsaka ao am-ponareo ny teniko. 38 Izaho milaza izay hitako eo amin'ny Raiko, ary hianareo kosa manao izay renareo ao amin'ny rainareo. 39 Namaly ireo ka nanao taminy hoe: Abrahama no rainay. Fa hoy Jesoa taminy: Raha zanak'i Abrahama hianareo, dia hanao ny asan'i Abrahama. 40 Nefa mitady hamono ahy hianareo ankehitriny, dia izaho izay nilaza taminareo ny marina reko tamin'Andriamanitra: tsy asan'i Abrahama izany. 41 Ny asan'ny rainareo no ataonareo! Dia hoy ireo taminy: Tsy mba teraka tamin'ny fijangajangana izahay, ka iray ihany no rainay, dia Andriamanitra. 42 Fa hoy kosa Jesoa tamin'izy ireo: Raha Andriamanitra no rainareo, dia ho tia ahy hianareo, satria Andriamanitra no nihaviako, ary izy no nahatongavako aty; fa tsy tonga ho ahy aho, fa izy no naniraka ahy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1339