Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-8

51 Lazaiko marina dia marina aminareo, fa raha misy mitandrina ny teniko, dia tsy hahita fahafatesana mandrakizay izy. 52 Dia hoy ny Jody: Fantatray amin'izao fa manana demony hianao; Abrahama sy ny mpaminany aza maty, fa hianao kosa manao hoe: Raha misy mitandrina ny teniko, dia tsy hanandrana fahafatesana mandrakizay izy. 53 Angaha hianao lehibe noho Abrahama rainay izay efa maty? Ny mpaminany koa efa maty; manao anao ho iza re hianao e? 54 Dia hoy Jesoa: Raha manome voninahi-tena aho, dia tsinontsinona ny voninahitro; fa ny Raiko izay ataonareo ho Andriamanitrareo no manome voninahitra ahy. 55 Tsy fantatrareo anefa izy; fa izaho no mahalala azy, ary raha milaza ho tsy mahalala azy aho, dia ho mpandainga tahaka anareo koa: fa fantatro izy, ary mitandrina ny teniny aho. 56 Nientan-kafaliana Abrahama rainareo nanantena hahita ny androko; ary nahita izy ka faly. 57 Dia hoy ny Jody taminy: Tsy mbola dimam-polo taona akory hianao, ka dia hoe nahita an'i Abrahama? 58 Lazaiko marina dia marina aminareo, hoy Jesoa taminy: Fony mbola tsy àry Abrahama, dia efa izaho aho. 59 Tamin'izay naka vato izy ireo hitorahana azy; fa niery Jesoa ka nivoaka ny tempoly.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0218