Bokin'i Joba

Joba toko 17
Tsy mety momba ny ratsy fanahy Andriamanitra - Ny ho faty no anjara tsy azo idifiana.

       1 Efa mihareraka ny fofon'aiko,
efa milopilopy ny androko;
ny fasana sisa mba ho ahy.
       2 Voahodidina maneso aho,
misokatra ny masoko eo afovoan'ny fanevatevany ahy.
       3 Ry Andriamanitra o, aoka ny tenanao ihany no hiantoka ahy aminao,
fa iza indray moa no hety hitehaka ny tanako?
       4 Ny fony efa nohidianao tsy handray ny fahendrena,
ka aza avelanao hisandratra ireo.
       5 Misy miantso ny sakaizany hiara-kizara aminy
nony efa mihareraka ny mason'ny zanany.
       6 Efa nataony ho fihomehezan'ny firenena aho;
ilay olona fandrora amin'ny tavany aho.
       7 Voasaron'ny alahelo ny masoko,
hoatra ny aloka sisa ny rantsam-batako rehetra.
       8 Talanjona amin'izany ny olona mahitsy fo;
ary tezitra amin'ny tsy mivavaka ny tsy manan-tsiny.
       9 Ny olo-marina anefa mifikitra mafy amin'ny lalany
ary izay madio tanana miezaka amin-kerim-po tokoa.
       10 Fa avia indray ary hianareo rehetra, avia;
dia tsy hahita olon-kendry iray aminareo va aho?
       11 Lany ity ny androko, foana ny hevitra voakasako;
dia ireo hevitra mba nolalaiko indrindra.
       12 Ny alina ataony ho andro,
eo anatrehan'ny aizina, lazainy ho efa akaiky ny fahazavana;
       13 Na dia tsy miandry aza aho, ny seoly no fonenako;
ao amin'ny aizina no namelarako ny fandriako.
       14 Hoy aho tamin'ny fasana: Raiko hianao;
ary tamin'ny kankana: Reniko sy anabaviko hianareo.
       15 Nankaiza ny fanantenako:
Iza no afa-kahita ny fanantenako?
       16 Nidina any am-bavahadin'ny seoly izy;
raha mba mahita fitsaharana ahay mantsy, any amin'ny vovoka!