Bokin'i Joba

Toko faha-17

1 Efa mihareraka ny fofon'aiko, efa milopilopy ny androko; ny fasana sisa mba ho ahy.

2 Voahodidina maneso aho, misokatra ny masoko eo afovoan'ny fanevatevany ahy.

3 Ry Andriamanitra o, aoka ny tenanao ihany no hiantoka ahy aminao, fa iza indray moa no hety hitehaka ny tanako?

4 Ny fony efa nohidianao tsy handray ny fahendrena, ka aza avelanao hisandratra ireo.

5 Misy miantso ny sakaizany hiara-kizara aminy nony efa mihareraka ny mason'ny zanany.

6 Efa nataony ho fihomehezan'ny firenena aho; ilay olona fandrora amin'ny tavany aho.

7 Voasaron'ny alahelo ny masoko, hoatra ny aloka sisa ny rantsam-batako rehetra.

8 Talanjona amin'izany ny olona mahitsy fo; ary tezitra amin'ny tsy mivavaka ny tsy manan-tsiny.

9 Ny olo-marina anefa mifikitra mafy amin'ny lalany ary izay madio tanana miezaka amin-kerim-po tokoa.

10 Fa avia indray ary hianareo rehetra, avia; dia tsy hahita olon-kendry iray aminareo va aho?

11 Lany ity ny androko, foana ny hevitra voakasako; dia ireo hevitra mba nolalaiko indrindra.

12 Ny alina ataony ho andro, eo anatrehan'ny aizina, lazainy ho efa akaiky ny fahazavana;

13 Na dia tsy miandry aza aho, ny seoly no fonenako; ao amin'ny aizina no namelarako ny fandriako.

14 Hoy aho tamin'ny fasana: Raiko hianao; ary tamin'ny kankana: Reniko sy anabaviko hianareo.

15 Nankaiza ny fanantenako: Iza no afa-kahita ny fanantenako?

16 Nidina any am-bavahadin'ny seoly izy; raha mba mahita fitsaharana ahay mantsy, any amin'ny vovoka!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1006