Bokin'i Joba
Toko faha-19
21 Hianareo sakaizako ahay, no mba mamindra fo, mamindra fo amiko. Fa nasian'ny tanan'Andriamanitra aho ity !22 Nahoana no dia manenjika ahy, tahaka an'Andriamanitra koa hianareo, ka tsy mety ho boboky ny nofoko?
23 Adray! raha mba mety ho voasoratra koa ny teniko! raha mba mety ho vita an-tsoratra ao anatin'ny boky izy!
24 raha mba fisokirana vy mbamin'ny firaka no isokirana azy amin'ny vatolampy ho mandrakizay.
25 Fantatro fa velona ny mpamaly ra ho ahy, ka hitsangana farany eo ambonin'ny vovoka izy,
26 ary amin'izay, dia izao taolako mitafy ny hodiny, dia ny nofoko no hahitako an'Andriamanitra.
27 Eny, izaho izao no hahita azy ny masoko no hahita azy, fa tsy olon-kafa! Matim-paniriana izany ny foko ato anatiko.