Bokin'i Joba

Toko faha-21

1 Dia niteny Joba ka nanao hoe:

2 Mihainoa, mihainoa ny teniko, aoka mba ho izany ahay no fampiononana azoko aminareo.

3 Avelao hiteny aho amin'ny anjarako; fa rehefa tapitra ny teniko, mahazo mamelively ihany hianareo.

4 Moa olombelona va no alehan'ny fitarainako? Ka aiza no hahatsindriako ny foko?

5 Jereo aho, ka aoka ho talanjona hianareo, ary tampeno ny vavanareo.

6 Raha mihevitra izany aho, dia mihoron-koditra, ary tera-kovitra ny nofoko.

7 Nahoana ary no velona ihany ny ratsy fanahy; sady tratra antitra mitombo hery?

8 Ny taranany mihamahery eo anoloany, ny solofony mandroso laza eo imasony.

9 Ny ankohonany mandry fehizay, lavitry ny tahotra, ny tsora-kazon'Andriamanitra tsy mba mikasika azy.

10 Ny ombalahiny mahavanona anaka, ny ombivaviny miteraka, tsy mamotsotra.

11 Avelany miriaria toa andian'ny biby fiompy ny zanany, mifalihavanja manodidina azy mbamin'ny zanany vao teraka.

12 Manara-bava ny feon-dokanga aman'ampongatapaka izy ireo, ary mikoriana amin'ny feon-tsodina.

13 Mandany ny androny amin'ny fiadanana izy ireo, fa sombin'andro monja no idinany ho any amin'ny seoly.

14 Hoy anefa ireny amin'Andriamanitra: Miala aminay; fa tsy te-hahalala izay lalanao akory izahay.

15 Zinona moa ny Tsitoha, no ho tompoinay? Inona no ho azonay amin'izay fivavahana aminy?

16 Moa tsy efa eo an-tanany va, ny fiadanan'izy ireo? - Kanefa, lavira ahy anie, ny fisainan'ny tsy mivavaka! -

17 Mba fahita matetika va ny hoe, maty ny fanilon'ny tsy mivavaka, iantsamboaran-doza izy ireo, na nanendren'Andriamanitra anjara aminny hatezerany izy ireo?

18 Moa toa mololo indaosin'ny rivotra no ahitana azy, sy toy ny akofa paohin'ny tadio?

19 Hoy hianareo: atokan'Andriamanitra ho an'ny zanany ny sazy afitsony azy. Fa aoka ny tenan'Andriamanitra no hanasazy azy mba ho tsaroany,

20 sy ho hitan'ny masony ny faharinganany, ary hosotroin'ny tenany ny fahatezeran'ny Tsitoha!

21 Mampaninona azy izay manjo ny taranany aty aoriana, rahefa tapaka hatreo ny isan'ny volana hiainany.

22 Andriamanitra va no hotoroana fahendrena, nefa ny tafasandratra indrindra aza, mbola tsarainy?

23 Ny iray maty ao anatin'ny fiadanana, ny hafinaretana amam-pianinany lavorary;

24 ny valahany manotraky ny taviny; ny taolany feno tsoka mandranoka.

25 Ny iray kosa maty amin'ny fahorian'ny fanahiny, tsy mba nanandrana izay fiadanana akory.

26 Samy mandry eo amin'ny vovoka izy roa tonta; samy rakotr'olitra ny tenan'izy roa tonta!

27 Endrey! fantatro tsara ny hevitrareo; mbamin'ny fitsarana tsy marina amelezanareo ahy.

28 Fa hoy hianareo: Aiza ny tranon'ny mpampahory? Zary inona ny lay nitoeran'ny tsy mivavaka?

29 Tsy mbola mba nanontany mpandeha lavitra va hianareo, ka tsy mahalala ny zavatra ambarany?

30 Amin'ny andron'ny fahoriana, voatsimbina ny ratsy fanahy; amin'ny andron'ny fahatezerana, afak'alanalana izy!

31 Iza akory no maniny ny fitondran-tenany eo anoloany? Iza akory no nampamoaka izay nataony?

32 Amim-panajana no itondrana azy halevina, ary misy miambina eo amin'ny fasany.

33 Ho maivana aminy ny bainga any an-dohany, sady ny olona rehetra hanaraka azy any avokoa, toy ireo maro tany alohany, izay efa nialoha azy any.

34 Ka inona no hevitr'izao fampiononam-poana ataonareo izao? Fanomezam-bohony avokoa no hany sisa amin'izao valin-teninareo izao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0388