Bokin'i Joba
Joba toko 23
Ny navalin'i Joba: Raha azony hiakarana mantsy ny fiketrahan'Andriamanitra! - Fantatry ny Tompo ny fahamarinany; fa misy hevitra tsy tiany hovana.
1 Dia niteny Joba ka nanao hoe:
2 Eny mangidy anio ny fitarainako,
nefa mbola tampenan'ny tanako aza ny fitolokoko.
3 Ah, raha mba misy mantsy hampahafantatra ahy izay hahitako azy,
sy hahatongavako hatrany amin'ny seza fiandrianany!
4 Dia halahatro eo anatrehany ny momba ahy,
ary hofenoiko teny fanamarinana ny vavako!
5 Ho fantatro izay hevitra mety hoentiny hanohitra ahy,
ary ho hitako izay mba mety holazainy amiko.
6 Ny haben'ny fahefany ve no hoentiny manda ahy?
Tsy ho sitrany ve ny manipy maso amiko ahay?
7 Amin'izay dia hifandahatra aminy ny olo-marina,
ka dia handeha aho efa voavelan'ny mpitsara ahy ho afa-mandrakizay.
8 Kanjo miantsinanana aho, tsy any izy,
miankandrefana indray, tsy tazako izy.
9 Manan-draharaha any avaratra izy, tsy hitako,
miafina any atsimo, tsy haiko tsinjovina.
10 Fantany anefa ny lalana falehako;
raha mizaha toetra ahy izy, dia hivoaka madio toy ny volamena aho.
11 Fa nandia ny dian-tongony mandrakariva ny tongotro;
nizotra tsy mivily teo amin'ny lalany aho.
12 Tsy nivily niala teo amin'ny didin'ny vavany aho,
ary ny sitra-poko nofolahiko nampanekeko ny didin'ny molony.
13 Manana ny heviny anefa izy; ka iza no hampiova azy amin'izay?
Izay iriny dia tanterahiny avokoa.
14 Hotanterahiny ary izay efa notendreny ho ahy;
ary tsy vitsy ny hevitra toy izany ao aminy.
15 Izany no mampitebiteby ahy eo anatrehany;
rahefa mihevitra izany aho, dia matahotra azy.
16 Mandreraka ny foko Andriamanitra;
mameno tahotra ahy ny Tsitoha.
17 Fa tsy mba ny aizina no mihinana ahy,
na ny alina no manarona ny tavako.