Bokin'i Joba

Joba toko 31
Milaza ny tsy fananay tsiny Joba.

       1 Efa fanekena nataoko tamin'ny masoko,
ka hataoko ahoana no fanopy maso hijery virjiny?
       2 Fa inona no anjara hotehirizin'Andriamanitra any ambony ho ahy?
Anjara toy inona no homen'ny Tsitoha ahy any an-danitra?
       3 Tsy anjaran'ny ratsy fanahy va ny loza?
Ary tsy ho an'ny mpanao ny tsy marina va ny fahoriana?
       4 Moa tsy mahalala ny lalako va Andriamanitra?
Tsy manisa ny diako rehetra va izy?
       5 Raha nandia ny lalan'ny lainga aho,
raha nidodododo ho amin'ny fitaka ny tongotro,
       6 holanjain'Andriamanitra eo amin'ny mizana marina aho,
dia ho hitany ny tsy fananako tsiny.
       7 Raha nivily niala tamin'ny lalana marina ny tongotro,
raha nanaraka ny masoko ny foko,
raha misy tsiny tafaraikitra amin'ny tanako;
       8 dia aoka hamafy aho, fa olon-kafa no hijinja;
aoka ho fongotra ny tamingako.
       9 Raha adala tamim-behivavy ny foko,
ka namitsaka teo am-baravaran'ny namako aho:
       10 aoka hampihodina ny vato fitotoana ho an'ny hafa, ny vadiko;
ary aoka ho olon-kafa no hanala baraka azy.
       11 Fa heloka mahatsiravina izany,
heloka fanameloky ny mpitsara,
       12 afo mandoro mandra-pahalevona,
tsy maintsy ho nandevona ny ananako rehetra.
       13 Raha nolaviko ny rariny ananan'ny ankizilahy aman'ankizivaviko,
fony ireny nifamaly tamiko; -
       14 Inona no hatao raha hitsangana Andriamanitra?
Inona no havaliko azy amin'ny andro hihaviany? -
       15 Ilay namorona ahy tao ambohoka, moa tsy dia nanao azy koa?
Moa tsy Mpahary iray ihany va no nampisy anay?
       16 Raha nanda ny hataky ny mahantra aho;
raha nahavalalanina foana ny mason'ny mananotena aho;
       17 raha nibodoako izaho irery ny anjara mofoko,
fa tsy nahazoan'ny kamboty anjara, -
       18 hatramin'ny fahazazako, dia nitandrina ahy toy ny ray izy,
hatramin'ny nahaterahako nitarika ny diako.
       19 Raha nijery ny ory maty tsy manan-damba aho,
ny mahantra tsy manan-kirakofana,
       20 ka tsy nisaotra ahy ny fony,
sy tsy nanafana azy ny volon'ny zanak'ondriko,
       21 raha naninji-tanana namely ny kamboty aho,
saingy nahita ahy manana ny mpitsara hiankinana:
       22 aoka ny soroko hisaraka amin'ny tenabeko,
aoka ny sandriko hitsoaka amin'ny taolam-panavy.
       23 Fa izaho olona nataho-tody mandrakariva avy amin'Andriamanitra,
ka tsy mahay maharitra eo anatrehan'ny fiandrianany.
       24 Raha ny volamena no nametrahako ny fitokiako,
ka ny volamena madio no nataoko hoe: Hianao no fanantenako,
       25 raha ny habetsahan'ny hareko no nifaliako,
mbamin'ny fananana nangonin'ny tanako;
       26 raha nahita ny masoandro mandefa ny hafanany aho,
na ny volana nandroso am-pamirapiratana,
       27 ka nety ho voangoly mangingina ny foko;
raha nataoko teo am-bavako ny tanako,
       28 dia heloka fanameloky ny mpitsara koa izany,
ka ho nanda an'Andriamanitra vo indrindra aho raha izany.
       29 Raha nifaly noho ny fahavoazan'ny fahavaloko aho;
sy nibitabitaka noho ny loza nanjo azy; -
       30 Tsia, tsy namela ny lelako hanota aho,
ka nangataka amim-panompana azy ho faty...
       31 Raha tsy filazan'ny olona tao an-daiko ny hoe:
Aiza re no hahitana olona tsy voky tamin'ny hanin-databany?
       32 Raha nandry tany alatrano ny mpivahiny,
fa tsy mba novohako varavarana akory ny mpandeha! ...
       33 Raha mba nanafin-keloka toy ny ataon'ny olona ho,
ka nampihiboka ny hadisoako tato anatiko,
       34 noho ny tahotro ny fivoriam-be,
noho ny tahotra sao hoesoin'ireo fianakaviana,
ka ho nangina aho tsy sahy nandingana ny tokonam-baravarana akory! ...
       35 Ah, aiza re no hahitako olona hihaino ahy?
Indro ny soniako: Hamaly ahy anie ny Tsitoha!
Aoka hanoratra ny taratasy fitarainany koa ny manana ady amiko.
       36 Raha tsy hataoko eo an-tsoroko izany;
raha tsy afehiko ny handriko toy ny satro-boninahitra izany!
       37 Havoakako amin'ny Mpitsara ahy ny diako rehetra,
hanatona azy toy ny zanak'andriana aho.
       38 Raha mitaraina hiampanga ahy ny taniko,
raha nampitomaniko ny soritsoriny;
       39 raha nihinana ny vokany tsy nanakarama azy aho;
raha naka an-keriny azy tamin'ny tompony marina;
       40 dia aoka ho tsilo no haniry eo, hisolo ny varimbazaha,
aoka ho ahi-dratsy no hisolo ny orja.

(Tapitra eo ny lahatenin'i Joba).