Bokin'i Joba

Toko faha-38

1 Dia namaly an'i Joba Iaveh tao anatin'ny tafio-drivotra ka nanao hoe:

2 Iza moa izato manamaizina ny fandaharan'Andriamanitra amin'ny teny tsy misy fahalalana?

3 Misikina ary toy ny lehilahy: fa ndeha hanadina anao aho ka hampianatra ahy hianao.

4 Mba taiza moa hianao fony aho nandatsaka ny fanorenan'ny tany? Lazao raha manam-pahalalana hianao.

5 Iza no nametra izay ho refiny? Fantatrao va? Iza no nanenjana ny famolaina teo aminy?

6 Amin'inona no ipetrahan'ny tongony ary iza no nametraka ny vato fehizorony,

7 raha niara-nihira ny kintan'ny maraina, sady nihobim-pifaliana avokoa ireo zanak'Andriamanitra.

8 Iza no nanidy ny ranomasina tamin'ny varavarana, fony izy nivoaka nisavoamboana avy any ambohoka;

9 raha nanao ny rahona ho fitafiany aho, ary ny zavona matevina ho lambam-pandriany;

10 raha nampanaiky azy ny didiko sy nanisy hidy amam-baravarana taminy,

11 ka nilaza taminy hoe: Hatreto halehanao, ka tsy hihoatra, fa eto no hijanona ny fianjonanjon'ny onjanao?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2769