Bokin'i Joba

Joba toko 4
Lahatenin'i Elifaza: Ny ratsy fanahy ihany no voasazy - Tsy misy afa-tsiny eo imason'Andriamanitra.

       1 Dia niteny Elifaza avy any Temana ka nanao hoe:
       2 Raha manandrana hiteny indraim-bava izahay, dia sao ho sosotra hianao amin'izany.
Nefa zovy moa ho hahatana ny teniny?
       3 Indro fa nampianatra olona maro hianao;
nankahery izay niraviravy tanana hianao;
       4 nampijoro izay nivembena ny teninao,
sy nanampy ny lohalika malemy hianao.
       5 Kanjo ankehitriny, nony mankaminao ny loza, dia kivy hianao,
nony mba trany hianao izao, dia manary toky kosa!
       6 Tsy ny fahatahoranao an'Andriamanitra va no fanantenanao?
Tsy ny hadiovan'ny toetranao va no mba tokinao?
       7 Mba tadidio ange: zovy moa no tsy manan-tsiny mba very?
Taiza ho aizan'izao tontolo izao, no mba naringana ny olo-marina?
       8 Raha izaho, ny hitako, dia izay miasa heloka,
sy ireo mamafy tsy fahamarinana, no mijinja ny vokatr'izany.
       9 Fa ny fofon'ain'Andriamanitra no aharinganan'ireny,
ny fifofofofon'ny hatezerany no mahalevona ireny.
       10 Ny fieron'ny liona mbamin'ny feony mikotrokotroka, dia tankina,
ary ny nifin'ny liona tanora dia voatorotoro.
       11 Noho ny tsy fisian-dremby dia maty ny lion-dahy,
ary ny zanaky ny liom-bavy miely patrana.
       12 Nisy teny nisokosoko tonga tamiko
ary ngoningonina malemy no hany ren'ny sofiko tamin'izany.
       13 Tao amin'ny fahitana manjavozavo alina,
tao anatin'ny fotoana mahasondrian-tory mafy ny olombelona,
       14 nisy tahotra aman-kovitra nahazo ahy,
ary nanozongozona ny taolako rehetra izany,
       15 Dia indro nisy fanahy nandalo teo anatrehako,
ka nampitsangam-bolo ny tenako rehetra.
       16 Nitraka izy, tsy fantatro endrika velively
dia toa matoatoa teo imasoko.
Dia nisy fahanginana aloha, vao nandre feo aho:
       17 Ho marina va ny olombelona eo antrehan'Andriamanitra?
Ho madio va ny olona, eo anoloan'ny Mpahary azy?
       18 Indro fa ny mpanompony aza, tsy itokiany,
ary ny anjeliny aza, ahitany tsiny:
       19 ka mainka izay olona monina an-trano fotaka
ary vovoka ny fototra iorenany,
ka hatao manjary vovoka toy ny voan'ny kalalao!
       20 Hatramin'ny maraina ka hatramin'ny hariva, dia voaringana izy;
ary levona mandrakizay izy, nefa tsy ahoan'ny olona akory.
       21 Tapaka ny kofehy amin'ny lain'izy ireo;
Maty alohan'ny fahazoana ny fahendrena izy.