Bokin'i Joba

Toko faha-8

1 Dia niteny Baldada avy any Sohe tamin'izay ka nanao hoe:

2 Mandra-pahoviana no hanaovanao teny toy izany, sy vava miloaka toy ny tafio-drivotra mifofofofo?

3 Andriamanitra va hampandefitra ny rariny, ny Tsitoha va hamadika ny fahamarinana?

4 Ny zanakao aloha raha nanota taminy, dia natolony ho eo am-pelatanan'ny haratsiany.

5 Hianao kosa, raha mangata-bonjy amin'Andriamanitra hianao, raha mitalaho amin'ny Tsitoha hianao,

6 raha madio sy mahitsy fo hianao, dia hiambina anao izy, haveriny amin'ny fiadanany indray ny fonenan'ny fahamarinanao,

7 ka hataonao ho zavatra kely foana ny toetranao voalohany noho ny faharoa efa lasa ambony loatra.

8 Anontanio ange ny olona tany aloha; diniho ange izay efa notsapain'ny razana;

9 satria isika vao omaly, ka tsy mahalala na inona na inona, ny androntsika eto an-tany mihelina toy ny aloka,

10 fa ireny kosa, tsy hanoro anao sy hilaza aminao va, ka hamoaka oha-teny avy ao am-pony?

11 Maniry eny ivelan'ny heniheny va ny zozoro? mitrebona tsy misy rano va ny harefo?

12 Mbola tanora, tsy voatapaka akory izy, dia maina, alohan'ny zava-maitso eny an-tsaha.

13 Toy izany koa no lalan-kalehan'izay manadino an'Andriamanitra, ho levona ny fanantenan'ny tsy mpivavaka.

14 Ho maito ny tokiny, hanahaka ny tranon-kala ny fitokiany.

15 Miankina amin'ny tranony izy, nefa tsy mafy orina io; mifikitra aminy izy, nefa tsy mahajoro io.

16 Be aina eo ambany masoandro izy; misandrahaka eo amin'ny tanimboliny, ny rantsany;

17 mifaniditra eo amin'ny korontam-bato ny fakany; tafalentika hatreo ambanin'ny vato izy.

18 Raha voafongotra teo amin'ny fitoerany izy, dia lavin'ny fitoerany ataony hoe: Tsy nahita anao na oviana na oviana aho.

19 Ka tapitra hatreo ny fijaliany fa hafa indray no hisandratra avy amin'io tany io.

20 Tsia, Andriamanitra tsy manary ny tsy manan-tsiny; izy tsy mitantana ny mpanao ratsy.

21 Hataony feno hehy mikakakaka ny rovanao, hataony eo amin'ny molotrao ny hira fifaliana.

22 Ho safo-kenatra ny fahavalonao; ary ho fongotra ny lain'ny ratsy fanahy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0805