Bokin'i Jodita

Toko faha-11

1 Tamin'izay dia hoy Holoferina taminy: Matokia hianao, ary foany ny tahotra ao am-ponao, fa tsy mba fanaoko na oviana na oviana, ny manisy ratsy an'izay rehetra manaiky ny hanompo an'i Nabokodonosora mpanjaka.

2 Raha tsy naneso ahy ny firenenao, dia tsy nanainga ny lefoko hamely azy aho. 3 Ary ankehitriny lazao ahy kely, izay antony nialanao tamin'izy ireo, sy nanapahanao hevitra hankaty aminay. 4 Dia hoy Jodita namaly azy: Raiso ny tenin'ny ankizivavinao, fa raha manaraka ny tenin'ny ankizivavinao hianao, dia hotanterahin'ny Tompo an-tsakany sy an-davany ny hevitra voakasany aminao. 5 Marina izany toy ny mahavelona an'i Nabokodonosora mpanjakan'ny tany sy ny mahavelona ny fahefany, dia ilay fahefany napetraka aminao hamaizana izay mivilivily, satria tsy ny olombelona ihany no entinao hanompo azy, fa manoa azy hatramin'ny biby eny an-tsaha aza. 6 Koa mandeha laza eran'ny firenena rehetra tokoa ny fahendren'ny sainao, fantatry ny olona rehetra fa hianao no hany tsara sy mahefa ao amin'ny fanjakany rehetra, ary deraina amin'ny faritany rehetra ny fitondranao. 7 Fantatra koa ny zavatra nolazain'i Akiora ary tsy miafina amin'ny olona ny nasainao nanaovana azy. 8 Marina fa efa voatsiratsira loatra tamin'ny fahotan'ny vahoakany ny Andriamanitray, ka efa nasainy nilazan'ny mpaminany izy, fa efa hatolony amin'ny fahavalony noho ny fivadihany. 9 Ary satria fantatry ny zanak'Israely fa efa naniratsira ny Andriamaniny tokoa izy ireo, dia mangovitry ny tahotra anao izy izao. 10 Fanampin'izany, ny mosary mamoritra azy, ny fitehirizan-drano efa tankina, ka dia naman'ny maty sahady izy. 11 Efa nanapa-kevitra aza izy fa hamono ny biby fiompiny ary hisotro ny rany. 12 Hatramin'ny zavatra voatokana ho an'ny Tompo Andriamaniny aza, izay noraran'Andriamanitra tsy hokasihiny, toy ny vary, ny divay sy ny diloilo avy amin'ny ampahafolom-bokatra sy santatra, dia efa nokasainy entin-kamelon-tena ka sahy hihinana ny zavatra voarara tsy hokasihiny tànana aza izy. Rahefa izany no hataony dia tsy hisalasalana fa hatolotra ho amin'ny faharavana mihitsy izy. 13 Izany no hitako, izaho ankizivavinao, ka nandositra lavitra azy ireo aho, ary nirahin'ny Tompo hilaza izany aminao. 14 Fa izaho ankizivavinao, dia manompo an'Andriamanitra, na izao aho aty aminao izao aza, ary dia hivoaka ny toby hivavaka amin'Andriamanitra ny ankizivavinao. 15 Ka hampahafantariny ahy ny fotoana hamaizany azy ireo noho ny fahotany, dia hiverina hilaza izany aminao aho. Amin'izay, hotarihiko hamaky an'i Jodea hatrany Jerosalema hianao, ka hahita ny vahoaka rehetra amin'Israely toy ny ondry tsy misy mpiandry intsony, tsy hisy na dia alika iray hivovò anao aza. 16 Ny fahalalan'Andriamanitra ny ho avy no nanambara izany zavatra izany tamiko, 17 ary noho izy tezitra amin'izy ireo, dia nirahiny aho hanambara izany aminao. 18 Nankasitrahan'i Holoferina sy ireo mpanompony izany teny rehetra izany. Nigagan'izy ireo ny fahendren'i Jodita, ary nifampilaza izy ireo hoe:

19 Tsy misy vehivavy tahaka an'ity eto ambonin'ny tany, na amin'ny bika, na amin'ny hatsaran-tarehy, na amin'ny fahendrem-pitenenana. 20 Ary hoy Holoferina taminy: Tsara ny nanirahan'Andriamanitra anao, hialoha ireo vahoaka ireo, hanolotra azy eo an-tànanay. 21 Ka noho ny hatsaran'ny hevitra aposakao, raha manao izany ho ahy ny Andriamanitrao, dia izy koa no ho Andriamanitro, ary hianao kosa ho be voninahitra ao an-tranon'i Nabokodonosora sady halaza eran'ny tany rehetra ny anaranao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0372