Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'i Jodita

Jodita toko 13
Ny namonoan'i Jodita an'i Holoferina - Ny nodiany any Betolia.

       1Nony hariva ny andro, samy niverina faingana nankany an-dainy avy ny mpanompon'i Holoferina. Vagao koa nanakatona ny varavaran'efitra, dia lasa. 2Doroky ny divay daholo ry zareo 3ary Jodita irery sisa tao amin'ny efitra. 4Holoferina izany nivalandotra teo am-pandriany, renoky ny torimason-kamamoana mafy. 5Efa nilazan'i Jodita ny ankizivaviny mba hitsangana eo ivelany, anoloan'ny efitra, sy hanao antilitily. 6Jodita kosa nitsangana teo anoloan'ny fandriana, nivavaka kelikely tamin-dranomaso, nanetsika mangingina ny molony: 7Ry Tompo Andriamanitr'Israely, hoy izy, hatanjaho aho, ary topazo fijery mitahy amin'izao ny asan'ny tànako, mba hanangananao indray an'i Jerosalema tanànanao, araka ny teny napetrakao, sy hanatontosako izay noheveriko ho mety ho vitako amin'ny fanampianao ahy. 8Nony avy niteny izany izy, dia nankeo amin'ny andry teo an-doha fandrian'i Holoferina, novahany ny sabany nihantona teo, 9ka nony notsoahany avy ao amin'ny tranony, dia nandray ny volon'i Holoferina izy nanao hoe: Tompo Andriamanitra ô, herezo aho amin'ity fotoana ity! 10Dia nojanjanany indroa teo amin'ny hatony izy, ka tapany ny lohany; ary notsoahany ny elom-pandriana teo amin'ny andry, dia nakodiany tamin'ny tany ity vatana tapa-doha; 11ary dia nivoaka tsy nijanonjanona izy, ka natolony an'ilay ankizivaviny ny lohan'i Holoferina, nasainy hatao ao an-kitapony.
       12Niara-nandeha, araka ny fanaony, hoatra ny handeha hivavaka izy roa ka rahefa namaky ny toby sy nahodidina ny lohasaha izy dia tonga tao am-bavahadin'ny tanàna. 13Mbola lavitra, dia niantso ny mpiambina ny manda Jodita nanao hoe: Vohay ny vavahady, fa momba antsika Andriamanitra, ary naneho ny fahefany nanasoavany an'Israely. 14Raha nandre ny teniny ny mpiambina, dia niantso ny loholon'ny tanàna. 15Niaraka tamin'izay, nirohotra nanatona azy ny olona rehetra hatramin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra fa efa saiky namoy fo ny hiverenany izy ireo. 16Nandrehitra fanilo sady nitangorona nanodidina azy izy rehetra. Niakatra teo amin'ny toerana avoavo Jodita, nampangina ny olona; ka nony nangina avokoa izy ireo, dia hoy izy: 17Miderà ny Tompo Andriamanitsika, fa tsy nandao izay manantena azy izy. 18Izaho, ankizivaviny, no nanatanterahany ny teny famindram-po napetrany hanasoavany ny vahoakan'Israely, fa novonoiny alina tamin'ny tànako ilay fahavalon'ny vahoakany. 19Teo dia notsoahiny avy ao an-kitapo ny lohan'i Holoferina, nasehony azy ireo, sy nolazainy hoe: Ity ny lohan'i Holoferina, komandin'ny tafiky ny Asiriana; ary ity ny elom-pandriana nanaloka azy nandry efa renoky ny hamamoana, izay namonoan'ny Tompo azy tamin'ny tanam-behivavy. 20Marina toy ny mahavelona ny Tompo ny niambenan'ny anjeliny ahy, na tamin'ny nandehanako, na tamin'ny nijanonako teo amin'izy ireo, na tamin'ny niverenako, ary tsy navelan'ny Tompo ho voaloto ny ankizivaviny, fa naveriny aminareo tsy voapentin'ny ota na kely akory aza, sady faly amin'ny fandreseny, sy ny fiarovany ahy, ary ny fahafahany anareo. 21Koa mihirà fiderana azy hianareo rehetra, fa tsara izy, ary maharitra mandrakizay ny famindram-pony.
       22Dia nitsaoka ny Tompo ny olona rehetra, sady nanao taminy hoe: Ny Tompo nitahy anao tamin'ny heriny, fa hianao no nampanjariany ho tsinontsinona ny fahavalontsika rehetra. 23Hoy koa Oziasa lehiben'ny vahoakan'Israely taminy: Anaka, nosoavin'ny Tompo Andriamanitra Avo Indrindra hianao, mihoatra ny vehivavy rehetra eto ambonin'ny tany. 24Isaorana anie ny Tompo, mpahary ny lanitra sy ny tany, izay nitondra ny tànanao hanapa-doha ny lehibe indrindra amin'ny fahavalontsika. 25Ary akory ity voninahitra nanandratany ny anaranao androany, fa ny fiderana anao tsy ho afaka am-bavan'ny olona izay hahatsiaro mandrakizay ny fahefan'ny Tompo; satria tsy nandala ny ainao hianao, hanasoavanao azy ireo, nony nahita ny fijaliana amam-pahorian'ny firenenao, fa namonjy anay tsy ho levona tamin'ny nandehananao araka ny fahamarinana, teo anatrehan'ny Andriamanitsika. 26Dia indray namaly ny vahoaka rehetra nanao hoe: Ho tanteraka anie izany! Ho tanteraka anie izany!
       27Rahefa izany, nantsoina hankeo Akiora, ka hoy Jodita taminy: Ny Andriamanitr'Israely izay nambaranao hoe mahavaly ny fahavalony, dia nanapaka alina tamin'ny tànako, ny lohan'ilay lehiben'ny tsy mpino rehetra. 28Ary mba hampiaiky anao fa to tokoa izany, dia indro ny lohan'i Holoferina, izay nentin'ny fiavonavonana midaondaona ka naniratsira ny Andriamanitr'Israely, ary nandrahona ny hamono anao ho faty, nanao hoe: Raha avy izay handreseko ny vahoakan'Israely, dia hovonoiko amin'ny lelan-tsabatra koa hianao. 29Nony nahita ny lohan'i Holoferina Akiora, dia nihoron-koditra natahotra, ka lavo nihohoka tamin'ny tany, sady torana. 30Nony nahatsiaro tena sy nody saina izy, nihohoka teo an-tongotr'i Jodita, nanao taminy hoe: Aoka ho antsoina ho nosoavin'ny Andriamanitrao anie hianao, eo ambanin'ny lain'i Jakoba rehetra. Ary hianao no hahazoan'ny Andriamanitr'Israely voninahitra eny amin'ny firenena rehetra handre ny anaranao. >