Bokin'i Jodita

Toko faha-2

1 Tamin'ny taona fahatelo ambin'ny folo, nanjakan'i Nabokodonosora mpanjaka, tamin'ny andro faharoa amby roapolon'ny volana voalohany, no nanapahana ny hevitra tao an-tranon'i Nabokodonosora mpanjakan'i Asiria, ny hamaliany.

2 Dia nantsoiny avokoa ny loholony sy ny lehibe rehetra mbamin'ny mpiadiny, dia niara-nihevitra mangingina tamin'ireo izy. 3 Nolazainy tamin'ireo fa ny hampanaiky ny tany rehetra ho ambany fahefany no fikasany. 4 Nankatoavin'izy rehetra izany lahateniny izany, ka nampiantsoin'i Nabokodonosora Holoferina, komandy ben'ny tafiny, 5 nilazany hoe: Miaingà hianao handeha hamely ny fanjakana rehetra any andrefana, indrindra indrindra ireo izay namotsifotsy ny teniko. 6 Aoka ny masonao tsy hitsitsy fanjakana iray akory, ary ampanekeo ahy avokoa ny tanàna mimanda rehetra. 7 Tamin'izay dia nantsoin'i Holoferina ny lehibe sy ny manam-boninahitry ny foloalin-dahin'ny Asiriana, ka naka miaramila hiantafika, araka ny didin'ny mpanjaka izy; roa alina sy iray hetsy no isan'ny miaramila an-tongotra, ary roa arivo sy iray alina ny an-tsoavaly mpandefa tsipìka.

8 Rameva maro be tsy hita isa nitondra fitaovana sesehena ho an'ny miaramilany, sy andian'omby aman'ondry tsy tambo isaina, no nampialohainy ny tafiny. 9 Nasainy novononina eny amin'ny halehany ny vary avy amin'i Siria manontolo. 10 Volamena sy volafotsy tsy hita noanoa no nalainy tao amin'ny tranon'ny mpanjaka. 11 Dia niainga izy sy ny tafiny rehetra, mbamin'ny kalesy amam-pitaingin-tsoavaly sy mpandefa tsipìka, ka nandrakotra ny tany, mova tsy ny valala. 12 Nony avy namaky ny sisin-tanin'i Asiria izy, dia tonga teo amin'ireo tendrombohitra lehibe any Ange, izay ao avaratr'i Silisia, dia nitsofohany avokoa ny tanàna mimanda, dia afany daholo ny fiarovana rehetra. 13 Nanihiny ka afany Melitena ilay tanàna malaza, ary nobaboiny avokoa ny mponina tao Tarsa, mbamin'ny taranak'Ismaely izay nonina teo an-tandrifin'ny efitra, sy teo atsimon'i Selòna. 14 Nita an'i Eofrata izy, dia nankany Mesopotamia, ary niadiany an-keriny avokoa ny tanàna mimanda rehetra tamin'izany tany izany, hatramin'ny mason-dranon-driaka Kaborasa ka hatrany amin'ny ranomasina.

15 Manaraka izany, dia azony avokoa ny tany rehetra manolotra an'i Eofrata, hatrany Silisia ka hatrany amin'ny faritanin'i Jafeta, izay mandroso mianatsimo.

16 Nentiny ho babo avokoa ny taranak'i Madiana, norobainy daholo ny hareny ary novonoiny tamin'ny sabatra izay rehetra nanohitra azy. 17 Avy eo dia nidina teny an-tsahan'i Damasa izy, tamin'ny fotoam-pijinjana, nandoro ny vokatra rehetra sy nampikapa ny hazo amam-boaloboka rehetra. 18 Dia raiki-tahotra ny fiadiany ny mponina rehetra amin'ny tany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1139