Bokin'i Jodita

Toko faha-5

1 Nisy nilaza tamin'i Holoferina, komandin'ny tafiky ny Asiriana, fa mivonon-kanohitra ny zanak'Israely ary efa nohidiany ny làlana any an-tendrombohitra.

2 Nisafoaka sy nirehi-katezerana Holoferina, ka nantsoiny avokoa ny andriandahin'i Moaba sy ny mpifehy an'i Amona, 3 nilazany hoe: Lazao ahy, vahoaka inona no mitana ny tendrombohitra? An'inona ny tanànany, manao ahoana ny heriny sy ny hamaroany, manao ahoana ny herin'ny miaramilany, firy no isany, ary iza no lehibe mifehy azy? 4 Nahoana no izy ireo ihany tamin'ny vahoaka rehetra aty andrefana no naneso anay sy tsy mba nivoaka hitsena anay handray anay amim-pihavanana? 5 Dia hoy Akiora, mpifehy ny taranak'i Amona rehetra, namaly azy: Raha sitrakao ny hihaino ahy, tompoko, indro, holazaiko eto imasonao ny marina, ny amin'ireo vahoaka monina amin'ny tendrombohitra ireo, ary tsy hisy diso na dia iray aza ny teny haloaky ny vavako.

6 Taranaky ny Kaldeana ireo vahoaka ireo. 7 Tonga nonina tany Mesopotamia izy aloha, satria tsy tiany ny nanaraka ireo andriamanitry ny razany, izay nitoetra tany amin'ny tanin'ny Kaldeana. 8 Nony efa nilaozan'izy ireo ny fombam-pivavahan'ny razany, izay nivavaka tamin'andriamanitra maro, 9 dia ny Andriamanitry ny lanitra tokana izay nandidy azy hiala amin'ny taniny sy handeha honina any Kanaana, no nivavahan'izy ireo. Fa tamin'ilay mosary namely ny tany rehetra dia nidina tany Ejipta izy, ary nitombo fatratra izy tany, ka nandritra ny efa-jato taona dia tonga vahoaka tsy tambo isaina. 10 Nony mafy ny nitondran'ny mpanjakan'i Ejipta azy, fa notereny hanorina ny tanànany tamin-drihitra amam-biriky izy, dia niantso ny Tompo Andriamaniny, izay namely ny tany Ejipta manontolo tamin'ny loza samihafa. 11 Noroahin'ny Ejipsiana hiala tany aminy izy ireo ka nitsahatra ny loza namely azy; kanjo notadiaviny halaina indray hatao andevony fanindroany izy. 12 Nandositra ny Israelita, ary nosokafan'Andriamanitra teo anoloan'izy ireo ny ranomasina, ka tonga toy ny rindrina teo an-daniny roa ny rano, dia azony novakina nandia tany maina ny fanambanin'ny ranomasina. 13 Nanenjika azy ireo ny tafiky ny Ejipsiana tsy tambo isaina, kanjo nosaforan'ny rano, tsy nisy afaka hitantara izany amin'ny taranaka mandimby akory na dia iray aza. 14 Nony tafavoaka ny ranomasina Mena ny Israelita dia nitoetra tao an'efitry ny tendrombohitra Sinai, izay tsy azon'olombelona nonenana na azon-janak'olombelona niorenam-ponenana na dia iray aza. 15 Ny loharano mangidy tao niova ho rano mamy hialany hetaheta, ary nandritra ny efapolo taona, hanina avy any an-danitra no noraisiny. 16 Na taiza na taiza nirosoany, tsy nitondra tsipìka, na zana-tsipìka izy, tsy nitondra ampinga na lefona izy, fa ny Andriamanitr'izy ireo no niady ho azy, sy nandresy hatrany. 17 Ary tsy mbola nisy nahaleo an'ireo vahoaka ireo na oviana na oviana, afa-tsy raha sendra niala tamin'ny fanompoana ny Tompo Andriamaniny izy. 18 Fa isaky ny nanompo andriamani-kafa afa-tsy izy ihany izy ireo, dia natolony ho amin'ny fandrobana sy ny sabatra ary ny fahafaham-baraka. 19 Kanefa isaky ny nanenina indray izy ireo, tamin'ny nandaozany ny fanompoana ny Andriamaniny, dia nomen'ny Andriamanitry ny lanitra hery hanohitra ny fahavalony indray izy. 20 Farany noresen'izy ireo ny mpanjakan'ny Kananeana, ny Jeboseana, ny Ferezeana, ny Heteana, ny Heveana, ny Amoreana, ary ny manam-pahefana rehetra tamin'i Hesebona; dia nalainy ho azy ny taniny aman-tanànan'ireo. 21 Ka teo amin'izy ireo ny fiadanana, raha tsy nanota teo anatrehan'ny Andriamaniny koa izy ireo, satria halan'Andriamaniny ny ratsy. 22 Izany tokoa marina, fa talohan'ireto taona faramparany teo mantsy, niala tamin'ny làlana nodidian'ny Andriamaniny nalehany izy ireo dia resin'ny firenena maromaro tamin'ny ady, ka lasan-ko babo tany an-tany hafa aza ny betsaka taminy. 23 Vao faingampaingana anefa, dia niverina tamin'ny Tompo Andriamaniny indray izy ireo, ka tafangona avy any am-pihahafany tany, sy nonina tamin'ireo tendrombohitra rehetra ireo ary nahazo any Jerosalema, izay misy ny fitoerana masiny indray. 24 Koa ankehitriny, tompoko, manaova famotorana: raha misy hadisoana mahameloka azy eo anatrehan'ny Andriamaniny dia ndeha isika hiakatra hamely azy, fa tsy maintsy hatolotry ny Andriamaniny aminao izy ireo, sy ho tafalatsaka eo ambany jiogan'ny fahefanao.

25 Fa raha tsy nahatezitra an'Andriamaniny ireo vahoaka ireo, dia tsy ho leontsika, satria harovan'ny Andriamaniny izy, ka isika indray no hanjary faneso amin'ny tany rehetra. 26 Nony vao nitsaha-niteny Akiora, nisafoaky ny hatezerana avokoa ny lehibe rehetran'i Holoferina, ka efa nihevitra ny hamono azy aza, nifampilaza hoe:

27 Zovy moa ity olona ity no sahy milaza ny zanak'Israely ho mahatohitra an'i Nabokodonosora mpanjaka sy ny tafiny, nefa ireo olona tsy àry fiadiana, tsy manan-kery, tsy mahay akory izay fomban'ady? 28 Ka mba hampiharihary amin'i Akiora fa namitaka antsika izy, ndao hiakarantsika ireo tendrombohitra ireo, ary rahefa mby eo an-tanantsika ny mahery indrindra amin'ireo, dia hataontsika indray mamono amin'ny sabatra izy sy ireo, mba hahafantaran'ny firenena fa Nabokodonosora no andriamanitry ny tany, ary tsy misy afa-tsy izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1175