Bokin'i Jodita

Toko faha-6

1 Nony nitsaha-niteny ireo, nentin'ny hatezerana Holoferina ka hoy izy tamin'i Akiora:

2 Noho hianao mitsangan-ko mpaminany, ka manambara aminay fa harovan'Andriamaniny ny vahoakan'Israely, dia tiako haseho anao kosa fa tsy misy andriamani-kafa afa-tsy Nabokodonosora ihany. 3 Koa rahefa ataonay indray mamely toy ny olona iray monja ireo, dia ho fatin'ny sabatry ny Asiriana mbamin'hianao koa, ary ho indray levona aminao Israely rehetra. 4 Ho fantatrao amin'izany fa Nabokodonosora no tompon'ny tany rehetra. Amin'izay, ny sabatry ny miaramilako hahatrobaka ny valahanao, hianao hitsingidina voatrobaka, eo afovoan'ny voaratra amin'Israely, ka tsy hiaina intsony mandra-paharinganao miarak'amin'ireo. 5 Raha inoanao ho marina ny faminanianao, atsaharo ity tarehy kivikivy, ary raha heverinao ho tsy mety tanteraka ny teniko, halaviro hiala aminao ity hatsatratsatra mandrakotra azy. 6 Mba hahafantaranao tsara anefa fa hiara-maty amin'ireo hianao, dia hakambana amin'ireo vahoaka ireo hianao hatramin'izao ankehitriny izao, mba hiara-mitsingidina aminy, voan'ny famaliako, rahefa ahatran'ny sabatro amin'ireo ny famaizana tandrify azy. 7 Izay dia nomen'i Holoferina didy ny mpanompony hisambotra an'i Akiora sy hitondra azy ho any Betolia any, ary hanolotra azy ho eo an-tanan'ny zanak'Israely.

8 Rahefa nisambotra azy ny mpanompon'i Holoferina, dia namaky ny tany lemaka, kanjo nony mby teo akaikin'ny tendrombohitra ireo, nivoahan'ny mpandefa antsamotady hamely azy. 9 Niolaka ny Asiriana nanaraka ny kisolasolan'ny tendrombohitra; Akiora kosa nafatony tongotra aman-tànana teo amin'ny hazo anankiray, dia navelany teo, dia niverina ho any amin'ny tompony izy. 10 Tamin'izay, nidina avy any Betolia ny zanak'Israely, ka nony tonga teo aminy, novahany izy, nentiny ho any Betolia, dia nampandrosoiny ho eo afovoan'ny vahoaka, nanontaniany izay antony nandaozan'ny Asiriana azy nifatotra toy izany, teo.

11 Tamin'izany andro izany dia Oziasa zanak'i Mika, avy amin'ny fokon'i Simeona, ary Karmi atao hoe Gotoniela koa, no lehibe mifehy ny tanàna. 12 Koa notantarain'i Akiora avokoa teo afovoan'ny loholona sy teo anatrehan'ny vahoaka rehetra, ny navaliny ny fanontanian'i Holoferina, 13 ny nitadiavan'ireo fehin'i Holoferina hamono azy noho izay nolazainy, ary ny nandidian'i Holoferina efa nentin'ny hatezerana, ny hanolorana azy ho eo an-tanan'ny Israelita, noho izany ihany, fa rahefa resiny ny zanak'Israely dia hovonoiny Akiora amin'ny fampijaliana maro loha, noho izy nilaza fa ny Andriamanitry ny lanitra no mpiaro azy ireo. 14 Nony tapitra ny tenin'i Akiora dia indray nihohoka tamin'ny tany nitsaoka ny Tompo ny vahoaka rehetra, ary indray nandefa ny fitolokoany aman-dranomasony sy namboraka ny fivavahany tamim-piraisam-po, teo anatrehan'ny Tompo,

15 nanao hoe: Ry Tompo Andriamanitry ny lanitra sy ny tany ô, jereo izany avonavon'ireny, ary hevero ity fietrenay, atodiho ny tavan'ny olonao masina ny masonao, asehoy fa tsy mandao izay mametraka ny fitokiany aminao hianao, fa manetry izay matoky ny tenany sy mirehareha amin'ny heriny kosa. 16 Nony nitsahatra nitomany ny vahoaka sy efa nandany ny andro manontolo tamin'ny fivavahana, dia nampionona an'i Akiora izy ireo,

17 nanao hoe: Ny Andriamanitry ny razanay, izay nankalazainao fahefana anie hamaly anao amin'izany, ka hampahita anao ho valin'izany ny fandringanana azy ireo. 18 Ary rahefa avy izay hanomezan'ny Tompo Andriamanitray izany famonjena izany ny mpanompony, homba anao eto afovoanay anie Andriamanitra, mba hiarahanao monina aminay, araka izay sitrakao, dia hianao sy ny mpianakavinao rehetra. 19 Nony nirava ny vahoaka tafavory teo, dia noraisin'i Oziasa tany an-tranony Akiora, ka nanaovany fihinanam-be. 20 Nasainy koa ny loholona, ka nony tapitra ny fifadian-kanina, dia niara-nihinana izy. 21 Rahefa izany, nivory indray ny vahoaka, ka niara-nivavaka mandritra ny alina tao amin'ny fitoerana niangonany, niantso vonjy tamin'ny Andriamanitr'Israely.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1193