Bokin'i Jodita

Toko faha-7

1 Ny ampitson'iny, dia nomen'i Holoferina didy ny miaramilany hiakatra hamely an'i Betolia.

2 Ny tafiny dia miaramila an-tongotra roa alina sy iray hetsy, an-tsoavaly roa arivo sy roa alina, afa-tsy ny lehilahy volony hiady azony sambo-belona, sy ny tovolahy nalainy tamin'ny faritany sy ny tanàna. 3 Indray nioman-kiady amin'ny zanak'Israely avokoa izy rehetra ireo, dia nandeha nanaraka ny tendrombohitra, hatrany an-tampony mahatazana an'i Dotaina, dia nitoby hatreo amin'ny fitoerana atao hoe Belma, ka hatrany Kelmona, tandrifin'i Esdrelona.

4 Nony nahatazana izany vahoaka be izany ny zanak'Israely dia nihohoka tamin'ny tany, nanisy lavenona ny lohany, niara-nivavaka tamin'ny Andriamanitr'Israely mba hampiharihary ny indrafony amin'ny vahoakany. 5 Rahefa izany, noraisiny ny fiadiany, dia notanany ireo toerana misy sakeli-dàlana azo aleha eo anelanelan'ny tendrombohitra ka nambenany andro aman'alina. 6 Raha nitetitety ny manodidina Holoferina, dia nahita loharano anankiray taty ivelan'ny tanàna tamin'ny ilany atsimo, misy lakan-drano nalehan'ny rano mankao, dia nasainy notapahina ny lakan-drano.

7 Nisy loharano sasany koa anefa, tsy lavitra ny manda loatra, falehan'izy ireo nafahy rano, an-katakonana, nantsaka rano kely toa hampitony ny hetahetany fotsiny, fa tsy hoe hanafak'hetaheta azy. 8 Kanjo tonga tao amin'i Holoferina ny taranak'i Amona sy Moaba, nanao hoe: Ny zanak'Israely tsy mba mitoky amin'ny lefony na amin'ny zana-tsipìkany, fa ireo tendrombohitra ireo no miaro azy, ary ireo havoana mihantona ambony hantsana ireo no heriny. 9 Ka mba hahazoanao mandresy tsy miady an'ireo, asio mpiambina eo amin'ny loharano hisakana azy ireo tsy hantsaka rano eo, dia ho fatinao tsy amin'ady ireo, na ho reraky ny hetaheta, ka hanolotra ity tanànany, izay heveriny tsy ho azo anihina, noho izy miorina ambony tendrombohitra. 10 Nankasitrahan'i Holoferina sy ireo manamboninahiny izany hevitra izany, ka nasiany antoko miaramila zato lahy avy manodidina ny isan-doharano. 11 Rahefa roapolo andro no nanaovana izany fiambenana izany dia tankina maina avokoa ny rano tamin'ny lavadrano sy ny famorian-drano rehetra amin'ny mponina rehetra ao Betolia, any ka tsy nisy tavela hialany hetaheta intsony tao an-tanàna, na dia indray andro monja aza, fa am-patrany no nizarana ny rano isan'andro ho an'ny vahoaka.

12 Tamin'izay, indray niangona teo amin'i Oziasa avokoa ny olona rehetra, na lahy na vavy, na tanora na ankizy, ka indray niredona nanao taminy hoe:

13 Hotsarain'Andriamanitra anie hianao sy izahay, fa nampidi-doza anay ny nataonao, tamin'ny nandavanao tsy hanao fanekem-pihavanana tamin'ny Asiriana; ka izany no nanoloran'Andriamanitra antsika ho eo an-tanan'ireo. 14 Izany no tsy isian'ny olona tonga hamonjy antsika, kanefa isika ity efa hanan'ny hetaheta amam-pahoriana lehibe eo imason'ireo. 15 Koa ankehitriny, angony avokoa ny olona eto an-tanàna, dia ndeha isika hitolo-tena an-tsitra-po amin'ny fehin'i Holoferina. 16 Fa aleonay velon'aina sy misaotra an'Andriamanitra any am-pahababoana toy izay maty sy ho afa-baraka amin'ny olon-drehetra, rahefa hitanay maty teo imasonay ny vady aman-janakay. 17 Alainay ho vavolombelona anio ny lanitra sy ny tany ary ny Andriamanitry ny razantsika, izay mamay antsika araka ny fahotantsika, fa mihanta aminao izahay, hanolotra ny tanàna izao ankehitriny izao eo an-tanan'ny miaramilan'i Holoferina, mba ho tojo faingana ny fahafatesana amin'ny lelan-tsabatra izahay, fa tsy hijaly foana mandra-pahafaty amin'ny hetaheta mahamay. 18 Nony avy niteny toy izany izy ireo dia nanezaka nigogogogo sy niantso mafy, nandritra ny ora maro, ny fiangonana rehetra, nitaraina tamin'Andriamanitra nanao hoe:

19 Nanota avokoa izahay sy ny razanay, nivadika izahay, nanao ny tsy marina izahay! 20 Hianao anefa, izay mpamindra fo, mamindra fo aminay; na aoka ny tenanao ihany no hamaly ny helokay amin'ny famaizana anay; fa aza atolotrao amin'izay vahoaka tsy mahalala anao akory ny olona manome voninahitra anao, 21 mba tsy hisy hilaza amin'ny firenena hoe: Aiza ny Andriamanitr'izy ireo? 22 Nony efa sasatry ny nitaraina mafy sy nitomany teo izy ireo, dia nangina.

23 Izay Oziasa vao nitsangana, vonton-dranomaso, nanao hoe: Matokia tsara, ry rahalahiko, ary andraso hadimiana aloha ny famindra-pon'ny Tompo. 24 Fa angamba hatsahany ny fahatezerany ary homeny voninahitra ny anarany. 25 Rahefa tapitra ny hadimiana ka tsy tonga ny vonjy, dia hataontsika amin'izay ny hevitra naposakareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0906