Bokin'i Joely

Joely toko 1
Valala mibosesika mahatsiravina, mampitomany hatraiza hatraiza - Aoka ny mpisorona hiantso ny vahoaka hibebaka - Fihantonan'ny orana mahatsiravina no mahatontosa ny fandravana.

       1 Tenin'ny Tompo tonga tamin'i Joely zanak'i Fatoely.
       2 Mihainoa an'izao hianareo anti-panahy;
mitongilana sofina hianareo rehetra monina amin'ny tany!
Mba efa nisy toy izao va tamin'ny andronareo,
na tamin'ny andron'ny razanareo?
       3 Aoka hilaza izao hianareo amin'ny zanakareo,
ny zanakareo amin'ny zanany,
ary ny zanak'izy ireo, amin'ny taranaka mandimby azy.
       4 Ny sisan'ny gazana nohanin'ny valala;
ny sisan'ny valala nohanin'ny ieleka,
ny sisan'ny ieleka nohanin'ny kasila.
       5 Mifohaza hianareo mpimamo, ka mitomania;
hianareo rehetra mpisotro divay dia midradradradrà,
noho ny amin'ny divay vaovao;
izay notapahana tsy ho amin'ny vavanareo intsony.
       6 Fa misy firenena niakatra tamin'ny taniko sady mahery no tsy hita isa;
ka ny nifiny dia nifin-diona;
ary ny vazany vazan-diom-bavy.
       7 Nosimbany ny voaloboko;
notapatapahany ny aviaviko;
dia nataony makiky sady nazerany ireny;
ary tonga tena fotsy mihitsy ny rantsany.
       8 Midradradradra hianao toy ny virjiny mitafy lasaka
hitomany ny vadin'ny fahatanorany.
       9 Tapaka tsy misy intsony ny fanatitra amam-panatitra araraka
ao an-tranon'ny Tompo;
misaona ny mpisorona
mpanao raharahan'ny Tompo!
       10 Simba ny saha;
misaona ny tany,
fa levona ny vary,
mangaihay ny divay vaovao,
reraka ny diloilo.
       11 Mangaihaiza, ry mpiasa tany,
midradradradra ry mpamboly voaloboka,
noho ny amin'ny vary sy ny orja;
satria majifa ny vary hojinjaina any an-tsaha.
       12 Mangaihay ny voaloboka,
ary reraka ny aviavy;
ny ampongabendanitra mbamin'ny antrendry sy ny paoma,
dia ny hazo rehetra any an-tsaha no efa maina avokoa;
menatra ny hafaliana ka nihataka
lavitra ny zanak'olombelona.
       13 Mietrà, mitolokoa, hianareo mpisorona;
midradradradrà hianareo mpanao ny fanompoana momba ny otely!
Avia hiari-tory mitafy lasaka,
hianareo mpandraharahan'Andriamanitro,
fa ny fanatitra amam-panatitra araraka
dia voatana lavitra ny tranon'Andriamanitrareo.
       14 Miantsoa fifadian-kanina;
mamoria fiangonana;
vorio ny loholona,
izay rehetra monina amin'ny tany,
ao an-tranon'ny Tompo Andriamanitrareo,
       15 ka mitarainà amin'ny Tompo hoe: Indrisy, ity andro ity!
Fa efa antomotra ny andron'ny Tompo!
Tamy toy ny fandravana avy amin'ny Tsitoha!
       16 Tsy efa nesorina teo imasontsika va, ny hanina
mbamin'ny fifaliana amam-piravoravoana izay voaesotra tao an-tranon'Andriamanitsika?
       17 Maina tao ambany bainga ny voa nafafy;
foana ny sompitra;
mirodana ny trano fitahirizana,
satria mangaihay ny vary.
       18 Endrey izany fitolokon'ny biby:
Mihoalahoala ny andian'omby,
satria tsy manan-kanina izy,
miferinaina mbamin'ny andian'ondry.
       19 Mitaraina aminao aho, Iaveh ô,
fa levon'ny afo ny kijana an'efitra,
voadoron'ny lelafo ny hazo rehetra any an-tsaha.
       20 Mimamamama miantso anao hatramin'ny biby dia,
satria ny renirano ritra;
ny kijana an'efitra levon'ny afo.